airtel

Fandriampahalemana

21-août-2025

TAMBAZOTRA MPAKA AN-KERINY ZAZA VARIRA

08 mianadahy nidoboka am-ponja any Mananjary

Sample post image

Olona 08 mianadahy nadoboka am-ponja vonjy maika any Mananjary.

21-août-2025

Zaza varira iray no nalain’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny tao Soafiadanana, Marofinaritra, Kaominina Ambonivohitr’i Mananjary ny alin’ny 06 Aogositra lasa teo, raha tsiahivina. Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny Polisim-pirenena ka olona roa isan’ny mpiray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity no voasambotra voalohany ka nampidirina am-ponja vonjimaika ny 11 Aogositra teo taorian’ny fiakarany fampanoavana rehefa vita ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny Polisim-pirenena. Nandritra ny famotorana no efa nanonona ireo mpiray tsikombakomba taminy ireo olona roa voasambotra ireo. Nitohy araka izany ny fikarohana ka voasambotra ny maraim-be ny 16 Aogositra teo tao Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary, ireo olona miisa enina hafa nikasa hitondra ilay zaza varira hiampita renirano tao Ambatoseza. Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po no nampahomby ny hetsika rehetra. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandary ary notohizan’ny Polisim-pirenena ny famotorana ireo rehetra voasaringotra tamin’ity raharaha ity. Avotra soa aman-tsara kosa ilay zaza varira ary efa tafaverina amin’ny fianakaviany. Taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanoavana ny 19 Aogositra teo dia nidoboka am-ponja ihany koa ireo olona 6 voasambotra tamin’ity raharaha ity.
Pati
Légende : Ireto izy 8 mianadahy !

 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
24-août-2026

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

Card image cap
21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap