mianatra intsony noho ny fahasahiranana raha tsy an’asa kosa ireo efa lehibebe hany ka manaotao foana. Zazalahy kely miisa 3 izay 12, 13 ary 14 taona no fantatra fa nivarotra finday mampiahiahy ny datin’ny 17 Martsa teo teny Ambalavao Atsimondrano ka rehefa nosamborina ny iray dia nahitana finday miisa 14 tany aminy. Nosamborina tany an-tranony koa ny namany iray izay mbola nahitana finday miisa 4 sy kojakoja samihafa. Naterin-dReniny tao amin'ny zandary ihany koa ny naman'izy ireo fahatelo izay efa nitsoaka tany Sabotsy Namehana niaraka tamin'ny finday roa, casques, radios cartes JBL maromaro. Raha araka ny fantatra dia efa tena malaza ratsy eo an-tanàna izy telolahy kely ireto ary tsy mifidy angalarina fa izay sendra azy ireo dia manjavona avokoa. Efa betsaka ny zavatra vitany teo amin'ny fokontany manodidina azy ireo. Nalefa eny amin’ny Toby Fanarenana eny Anosiala avokoa moa izy telolahy ireto taorian’ny fanadihadiana natao azy.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy sy ireo finday nangalariny !
Vaky trano teny Ivandry, vaky trano tetsy Tsiadana Lehilahy iray 33 taona
Ao anatin'ny fanadihadiana ny polisim-pirenena na borigady misahana
Tena efa mivadika ho biby ny olombelona ankehitriny.