fahaverezana olona tato ho ato, hoy ny fampitam-baovao n'ny zandarimariam-pirenena malagasy ny sabotsy teo. Ireo vanto-jaza sy adolantsento ary tanora vao herontrerony no tena lasibatr'ity fahaverezana ity, hoy ny fanazavana. Maro samihafa ny anton'ny fahaverezana. Misy ireo tafaverina salama tsara teo anivon'ny ankohonany. Misy ireo tafaverina fa nitondra takaitra nandritry ny tsy fahitana azy. Misy ireo tsy tafaverina fa namoy ny ainy. Misy ireo mbola tsy hita popoaka. Tranga iniana atao izay miteraka savorovoro sy fikorontanan-tsaina eo amin'ny fiarahamonina sy ireo ankohonana tsirairay. Tsy mipetra-potsiny ny mpitandro filaminana manoloana ireny tranga ireny fa manao ny angom-baovao avy hatrany raha vao misy ny tranga ary manokatra ny fikarohana sy fanadihadiana. Ao ny mikaroka ireo olona tsy hita. Ao ny mikaroka ireo rohy sy fifandraisana manodidina ny fianakaviana sy ny mpiara-monina. Ao ireo mikaroka ny antony sy fototra mampisy izao tranga izao. Mametraka paik'ady hisorohana ny fisian'ny tranga. Eto ny zandarimaria dia manentana ny mpiara-monina, ny mpiray tanàna mba haneho firaisan-kina sy fiaraha-mientana. Ho mailo avy hatrany raha vao misy fidirana na fandalovana olona na fiara na kodiaran-droa vahiny tsy fantatra eo an-tànana na anaty faritry ny toeram-ponenana. Raiso ny laharan'ny fiara na moto, raiso ny karazany, ny olona ao anatiny sy eo amboniny. Ny fitafiana anaovany, ny isan'izy ireo, zavatra mateti-pitranga ny hoe "Tena hitako mihitsy ilay fiara teo fa tsy noeritreretiko hoe hanao inona!", hampandre ny tomponandraikitry ny fokontany, ireo vaomiera, ny kartie mobily, ny Ben'ny tanàna. Ianareo voalaza ireo no rantsa-mangaika manakaiky vahoaka ka amin'ny tranga toy izao indrindra no hananan'ny vahoaka fitokisana anareo amin'ny andraikitra sahanina. Hiantso faran'izay haingana indrindra ny mpitandro filaminana ianareo, eny fa na dia mbola tranga mampiahiahy fotsiny aza. Ny mpitandro filaminana no hery afaka manontany, manadihady sy misambotra avy hatrany raha ilaina. Raha toa ka misy izany tranga izany. Ny mpitandro filaminana no ampandrenesina voalohany indrindra alohan'ny handraisana finday sy hanokafana ny "application Facebook" ary hanoratana elabe ny zava-misy. Efa lasa ihany Ramàka mandra-pivoahan'ny "publication" kanefa ny zandarimaria sy ny polisy tsy maheno akory. Tsy maintsy misy zandary, polisy na tafika azo antsoina vetivety raha misy ny zava-miseho. Manentana ny rehetra amin'ny fifanomezan-tanana ho entina miaro sy mametraka ny fandriam-pahalemana. Raiso, antsoy ny laharan'ny zandarimaria akaiky anao, hoy hatrany ny zandary.
Nangonin'i J. Mirija