airtel

Fandriampahalemana

23-oct-2025

TSARAKOFAFA TOAMASINA

Lasan'ireo jiolahy hatramin'ny peratra mariazy

Sample post image

Nitrangana fanafihan-jiolahy mahery vaika indray tao

23-oct-2025

Toamasina afak'omaly Talata 21 Oktobra alina. Tokantrano iray tao Tsarakofafa no nisy nanafika ka lasan'ireo mpanao ratsy tamin'izany 2 000 000 Ar. Ankoatra izay dia lasan'ireo mpanao ratsy koa ny peratra mariazy. Miangavy ny tompon'andraikitra sy ny manam-pahefana ao Toamasina araka izany ireo mponina ao Tsarakofafa mba handray andraikitra. Mirongo fitaovana maranitra toy ny antsy, ny famaky sns... . mantsy ireo dahalo ary miditra an-keriny an-tranon'olona. Manomboka amin'ny 11 ora sy sasany hatramin'ny 3 ora sasany maraina eo ny ora handroban'ireo jiolahy ka misaron-tava izy ireo. Fantatra moa fa isan'andro dia misy hatrany ny vaky trano sy very fananana ao Tsarakofafa ao. Rahonan'izy ireo ho faty mihitsy moa ilay tompon-trano raha tsy manome izay tiany.
Pati
Légende : Tsy mety milamina mihitsy ny ao Toamasina !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

Card image cap
06-mars-2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Card image cap
06-mars-2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

Card image cap
05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap