airtel

Fandriampahalemana

07-juil-2026

Tsy fandriampahalemana ao

Antsiranana

Sample post image

"Fitazomana olona ankeriny no nisy!"

07-juil-2026

Nampikoropaka ny mponina sy ny manampahefana isan-tsokajiny tao Antsiranana nanoloana ny antso fanairana sy fijoroana vavolombelona an-tambazotra Facebook nataona vehivavy iray nilaza fa nisy naka an-keriny (kidnapping) ary notsindromina zavatra ka tsy nahatsiaro tena. Olom-patany ihany no nahavanona izany raha ny filazany ary misy tovovavy hafa koa lasibatr'io olona io hitany tao amin'ny toerana nitondrana azy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ireo manampahefana ao Antsiranana nanomboka tamin'ny 25 Jona, nisian'io fanairana io. Voasambotra ny faran'ny herinandro teo ilay voalaza ho nanao io fakana an-keriny io. Nitondra fanazavana ny avy amin'ny Fampanoavana ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Antsiranana sy ireo mpikaroka fandikan-dalàna isan-tsokajiny ao an-toerana. Nilaza izy ireo fa tsy "kidnapping" no isokajiana ity tranga ity fa fitazomana an-keriny olona (séquestration illicite) satria tsy nisy fitakiana vola amin'ny alalan'ny finday na zavatra hafa. Na izany aza dia manome toky ny avy ao amin'ny Fampanoavana fa hanaraka hakaiky ity raharaha ity ary tsy maintsy hisy ny hampiharana lalàna. Miantso fiaraha-miasa amin'ny rehetra izy ireo, indrindra amin'ny fianakavian'ireo lasibatr'izao asa ratsy izao hanome loharanom-baovao ahafahana mikaroka ireo tompon'antoka sy mpitsikombakomba amin'izany.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Taorian'ireo 16 tany Toliara izay

Card image cap
07-août-2026

an’ny andrimasom-pokonolona

Card image cap
07-août-2026

Jiolahy miisa 4 mandeha moto no nanafika

Card image cap