Nanamafy ny minisitry ny Fitsarana, Ernaivo Fanirisoa omaly 13 jolay 2026 fa voararan'ny lalàna ny fitsaram-bahoaka ary melohin'ny lalàna ny fanaovana izany. Antony ny trangana fitsaram-bahoaka tao Maintirano, ny faran’ny herinandro lasa teo, taorian'ny famonoana sy fakana an-keriny mpandraharaha cash point. Tezitra ireo fokonolona ary nitaky ny hanomezan'ny mpitandro ny filaminana azy io lehilahy io. Noravan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny biraon'ny mpitandro ny filaminana ary nodoran'izy ireo velona ilay voarohirohy. Namafisin’ny Minisitry ny fitsarana andaniny, fa " Tsy azo heverina ho meloka ny olona iray raha tsy efa nisy fanadihadiana sy fanangonana porofo feno, ary notsarain'ny Fitsarana mahefa". Nambarany fa izany no antoka hisorohana ny fanamelohana mifototra amin'ny tondro molotra na fiampangana tsy voaporofo. Ny fanadihadiana ihany no hahafahana mahita ny marina, hoy ny fanazavana. Noho izany, miantso ny fifampitokisana sy ny fiaraha-mientan'ny rehetra, izay "andry iankinan'ny fandaminana ny fiaraha-monina ao amin'ny fanjakana ara-dalàna", ny minisitera. Araka izany, ho avy ary ve ny fisamborana any Maintirano taorian’ilay tranga nampivarahontsana nisiana fandorana olona velona rehefa voarohirohy ho namono vehivavy voalaza fa sakaizany ? Inona ny fepetra raisina tsy hiverenan’ny tahaka ireny intsony satria tsy vao sambany ihany koa ny toa iny ? Henjakenjana ny sary mitranga izay taratry ny sarovoro sy ny korontana ara-piarahamonina, hany ka misy no alaim-panahy tsy hieritreritra lalàna sy fahefam-panjakana, ao ny mety manararaotra ny zava-mitranga,… Misy ihany koa ny finiavana hamboly korontana mihitsy ka hanentanana ny olom-pirenena tsy ho roboka.Nisy ohatra ny filazana sy ahiahy, nanoloana ny fitsaram-bahoaka teny Tsaramasay, fa misy tamin’ireo nanao izany no efa tazana teny Ilanivato, toerana izay samy nahitana olona voarohirohy tamin’ny hala-jaza. Mila manamafy sy manaporofo ny Fanjakana isan’ambaratongany andaniny fa azo itokisana.
Toky R