airtel

Fandriampahalemana

06-juil-2026

Vono olona ampahibemaso

Maty tsy nandalo Fitsarana i Larzan, 17 taona

Sample post image

Nampivarahontsana ny maro ity

06-juil-2026

tranga tao Antanambao Ambohangisay, Kaominina Antsahabe Centre, Distrika Ambanja ity. Tovolahy iray fantatra amin'ny anarana hoe : Larzan, 17 taona, no novonoina ankarihary, teo anoloan'ny olona rehetra ary tamin'ny fomba feno habibiana. Olomboafidy sy manampahefana no voalaza ho nanatanteraka izany ankitsirano raha ny fitantaran'ny rain'ilay tovolahy tsy ampy taona novonoina io. Tamin’ny 27 mey 2023 no niseho ny famonoana, saingy tamin’ny 15 novambra 2025 vao nametraka fitoriana ny rainy rehefa niova ny fitondrana ka afaka miteny sy tsy amin-tahotra ny Vahoaka. Adin'ankizy niafara tamin'ny famoizana aina no niandohan'ity raharaha ity. Nosamborina ho tompon'antoka tamin'izany i Larzan. Maninona no tsy natolotra ny Fitsarana ny zanako rehefa nosamborina fa novonoinarei ankitsirano. Maninona no tsy misy tohiny ny fitoriana, hoy ny rainy. Ity farany izay nitaraina ho niharan'ny fampihorohoroana ihany koa ka miantso fandraisana andraikitra satria tany tsy misy fanjakana sy tan-dalàna i Madagasikara.
Jean D.
Rain'i Larzan mitaky ny marina namono ny zanany
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap