airtel

Fandriampahalemana

10-juil-2026

VONO OLONA

TAO ANOSIBE IFANJA

Sample post image

Nalain’ireo olon-dratsy ny fo sy voamason’ilay rangahy

10-juil-2026

Nitrangana vono olona feno habibiana tany amin'ny Fokontany Ambatomenarana, kaominina Anosibe Ifanja, distrikan'i Miarinarivo. Lehilahy iray tokony ho 30 taona mahery no hitan'ny olona efa tsy nisy aina intsony omaly Alakamisy 09 Jona maraina. Niparitaka vetivety ity vaovao mampalahelo ity ka efa tonga nijery ny razana ireo tompon'andraikitra. Nandritra ny fizahana nataon'ny mpitsabo no nahafantarana fa nesorin'ireo mpanao ratsy ny mason'ilay lehilahy havia sy ny fony, antony niteraka ny fahafatesany. Fantatra ihany koa moa fa tsy misy mahalala an'Itompokolahy ireo mponina any an-toerana, antony nanaovana antso avo ireo izay mahalala na mahafantatra azy. Voatery mandray an-tanana ny fikarakarana ny razana indray noho izany ireo tompon'andraikitra ao an-tanana hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay ny vaovao.
Nangonin'i Pati
Légende : Nitsirarabe tahaka izao ny razana !
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Mitotaly 16 tapitrisa Ariary no lasan’ireo olon-dratsy

Card image cap
03-sept-2026

Lasa ny 20 tapitrisa Ar sady naratra

Card image cap
02-sept-2026

Vita fitsirihana sy azon’ny fianankaviana nalaina ny razana

Card image cap
02-sept-2026

fiara nitondra rongony ! »

Card image cap
02-sept-2026

nalaina an-keriny, hita faty

Card image cap