airtel

Fandriampahalemana

10-juil-2026

VONO OLONA

TAO ANOSIBE IFANJA

Sample post image

Nalain’ireo olon-dratsy ny fo sy voamason’ilay rangahy

10-juil-2026

Nitrangana vono olona feno habibiana tany amin'ny Fokontany Ambatomenarana, kaominina Anosibe Ifanja, distrikan'i Miarinarivo. Lehilahy iray tokony ho 30 taona mahery no hitan'ny olona efa tsy nisy aina intsony omaly Alakamisy 09 Jona maraina. Niparitaka vetivety ity vaovao mampalahelo ity ka efa tonga nijery ny razana ireo tompon'andraikitra. Nandritra ny fizahana nataon'ny mpitsabo no nahafantarana fa nesorin'ireo mpanao ratsy ny mason'ilay lehilahy havia sy ny fony, antony niteraka ny fahafatesany. Fantatra ihany koa moa fa tsy misy mahalala an'Itompokolahy ireo mponina any an-toerana, antony nanaovana antso avo ireo izay mahalala na mahafantatra azy. Voatery mandray an-tanana ny fikarakarana ny razana indray noho izany ireo tompon'andraikitra ao an-tanana hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay ny vaovao.
Nangonin'i Pati
Légende : Nitsirarabe tahaka izao ny razana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

afaka manao tik tok

Card image cap
22-oct-2026

Voasambotra tany Ilakaka i Kelindaty

Card image cap
22-oct-2026

Natsipin’ny jiolahy teny amin’ny arabe,

Card image cap
22-oct-2026

Telolahy nidoboka am-ponja ao Tolagnaro

Card image cap
21-oct-2026

100 taonina isan-taona,

Card image cap
21-oct-2026

Tratra ihany rehefa avy

Card image cap