airtel

Fandriampahalemana

21-août-2025

Voromahery" ao Ankilimaliniky

"Fikambanana ara-panjakana izahay fa tsy milisy!"

Sample post image

Nandray fiofanana manokana avy amin’ny Zandarimariam-pirenena ao Toliara ny olom-pirenena

21-août-2025

mpikambana ao amin’ny andrimasom-pokonolona “Voromahery” ao Ankilimaliniky, nandritra ny herinandro maromaro izay, hoy ny fampitam-baovao. Fokontany 10 amin’ny 13 no efa nahazo izany hatreto. Napetraka ho filamatra na "commune pilote" i Ankilimaliniky amin’ity rafitra ity, satria voalaza fa kasaina haparitaka amin’ireo Kaominina hafa manerana ny Distrika rehetra ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Nambara fa rafitra ara-dalàna tanteraka izy io, fa tsy araka ny filazana azy ho “milisy”. Ny fototra ara-dalàna amin’ny famoronana ny komity Voromahery dia ny Didy hitsivolana laharana faha 2002-1170 tamin’ny 07 Oktobra 2002, izay mamaritra ny fitsipika momba ny fikambanan’ny Fokontany sy ny Fokonolona, ary indrindra ny Didy hitsivolana laharana faha 94-608, momba ny fandraisana anjara mivantana avy amin’ny mponina ambanivohitra amin’ny fiarovana sy ady amin’ny halatra omby, hoy ny fanazavana. Olom-pirenena 18 taona no ho miakatra, izany hoe mponina ao amin’ny Kaominina Ankilimaliniky no mpikambana. Fampiofanana nifantoka tamin’ny fomba fanao raha misy loza, "patrol" sy fanaraha-maso, ary tetika hanamafisana ny fiarovana ny olona sy ny fananana eo an-toerana no voalaza fa nataon'ny zandary. Nolazaina fa tanjon’ny rafitra ny hampandraisana anjara mivantana ny mponina amin’ny fiarovana, toy ny efa natao sy nahomby tany amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Ny manampahefana ara-panjakana sy ara-piarovana mihitsy no manentana sy manohana ny fametrahana an’io rafitra io, indrindra any amin’ny faritra ambanivohitra toa an’i Menabe, Anôsy, Bongolava, ary indrindra ao Tsiroanomandidy, hoy hatrany ny fanambarana. Miara-miasa amin’ny manampahefana sy ny mpitandro filaminana izy ireo, amin’ny alalan’ny fanaraha-maso ny tontolo iainana sy fampandrenesana raha misy hetsika mampiahiahy. Noraisina ho ohatra tamin'izany moa ireo tratra roa ny volana jolay teo, izay nahafahan’ny zandary ao Toliara nisambotra olona notondroin'izy ireo ho nanao heloka tany Benetse sy fokontany hafa. Nambara fa nanao heloka, nanao fandrahonana, fakàna takalonaina, fanakorontanana, ary nanimba fotodrafitrasa. Efa hatramin’ny ela no nisy rafitra fiarovan-tena ifotony antsoina hoe “Voromahery” manana fototra ara-pomba amam-panao Masikoro ao Toliara II, natao hiatrehana ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny fanafihan’ny dahalo, hoy ny fanamarihana. “Alohan’ny hanaratsiana sy hanomezana anarana ratsy ny komity Voromahery, dia tokony hahalala tsara ny tena zava-misy.”, hoy ny valy bontana tamin'ny alalan'ny mpikambana iray.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Avotra soa aman-tsara i Sandratriniaina,

Card image cap
24-août-2026

Mitantara ireo efa lasibatra

Card image cap
24-août-2026

Nisehoana tranga mampalahelo heverina

Card image cap
21-août-2026

Voasambotra tany Manakara

Card image cap
21-août-2026

Razana miisa 8 no lasan'ireo jiolahy

Card image cap
21-août-2026

namonoana Raim-pianakaviana

Card image cap