airtel

Fandriampahalemana

09-juil-2026

ZAZA 172 VERY,

NISY NAMONO NY 8 Valifaty, fitiavam-bola,

Sample post image

politika no antony

09-juil-2026

Ao anatin'ny mponina 30 0tapitrisa dia nahatratra 172 ireo zaza very manerana an'i Madagasikara nanomboka ny volana Janoary hatramin'ny volana Jona 2026 raha ny tatitry ny polisim-pirenena omaly. 164 dia very avokoa, 8 nisy namono. 119 teto Analamanga avokoa, 45 tany amin'ny Faritra 23 hafa. 81 no hita ka teto Analamanga ny 63 raha tany amin'ny faritra ny 18. Miisa 83 ny tsy hita izay misy ny efa hita saingy tsy nanao filazana. Misy amin’ireo olon-dratsy ihany koa no efa voasambotra ary anlefa eny Tsiafahy. Tandidin-doza tanteraka ireo zaza Malagasy izay tena hoavin'ny firenena hoy ny tale jeneralin'ny Polisim-pirenena, Atoa TSARAMONINA Jean Victor. Nambarany fa resa-bola, valifaty, fitiavam-pahefana, haratsiam-panahy, politika no ambadik’izao fakana an-keriny izao ary sokajiana ho olona tsy vanona sy tsy valahary ary fahavalo iombonana ireo olon-dratsy ireo. . Efa mipetraka avokoa ny drafitr'asa sy paikady rehetra ho entina mikaroka ireo nahavanon-doza. Fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny fanomezana valisoa ireo olom-pirenena rehetra manana vaovao marim-pototra mikasika ny olona ambadik'ireo fahaverezan-jaza samihafa izao. Hirosoana ihany koa ny fanadihadiana mikasika ireo kaonty fako mampisavorivory vahoaka, ny fisavana ireo fiara vitre fumé, plaque rouge izay fitaovana mety ampiasain’ireo olon-dratsy. Noraisin'ny Filohan'ny Fanavaozana an'i Madagasikara mivady an-tanana manokana kosa ny adidy sy andraikitra amin’ny fampaherezana ireo fianakaviana manan-janaka namoy ny aina. Mitodika manokana amin'ny fiaraha-monim-pirenena, ny olom-pirenena, ny isam-batan'olona, ny sefo fokontany ny eo anivon’ny hery fiarovana sy filaminana mba hiara-hisalahy hamongotra ireo olon-dratsy ambadik'ity raharaha ity, hanamafy ny fanabeazana ny olom-pirenena, iaina ny soatoavina maha Malagasy. Satrin' ny fanjakana ny hamaha ny olana rehetra saingy tsy ho vitan'ny fanjakana irery izany hoy izy ireo fa mila ny fiaraha-mientan'ny maro. Tanjona hoy izy ireo ny hatratrarana sy hamongorana ireo rehetra nahavanon-doza ambadik’izao fahaverezan-jaza izao.
LALAINA RAV
 

Dans la même rubrique

09-juil-2026

isika ka hifoterany avy eo!»

Card image cap
09-juil-2026

Korontana sy sorona ataon’ny te hiverina amin’ny fahefana…

Card image cap
07-juil-2026

"Fitazomana olona ankeriny no nisy!"

Card image cap