airtel

Fandriampahalemana

02-déc-2025

ZAZA VERY TANY SAMBAVA

Nisy nandevina teny an-tanimbary

Sample post image

Zava-doza no nitranga tany

02-déc-2025

amin'ny distrikan'i Sambava ny faran'ny herinandro teo. Zazavavy kely vao 3 taona monja no tsy hita popoka ny zoma 28 Novambra teo tao Antanambao Antolongo, kaominîna ambànivohitr'i Sambava. Téo am-pilalaovana teo an-tokontany io zaza io no notombanana ho nisy nibata . Nandeha ny fikarohana nataon'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny taorian'izany ka hita nisy nandevina teny an-tanimbary afak'omaly Alahady 01 Desambra ny vatana mangatsiakan'ilay zaza tsy manan-tsiny. Olona sendra nandalo hoy ny vaovao no nahita zavatra hafahafa ka nampandre ny teo amin'ny manodidina. Efa misokatra ny fanadihadiana hataon' ny avy eo anivon'ny Borigady teritorialy ao Sambava. Tsiahivina fa tsy vao sambany no nisy tranga tahaka izao teto amintsika ka ilana fitandremana sy fahamailoana fatratra. Ankoatra ny lonilony eo amin'ny samy lehibe dia anisan'ny antony miteraka ny tranga tahaka izao koa ny fialonana...Ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka tena hanamarina izany.
Nangonin'i Pati
Légende : Teto amin'ity toerana ity no nahitana ny razana !
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Vao 18 taona monja i Vakisoa saingy

Card image cap
04-déc-2025

Efatra mianadahy nadoboka eny Antanimora

Card image cap
04-déc-2025

Zava-doza no nitranga tany amin'ny

Card image cap
04-déc-2025

Tovolahy telo nikasa hamaky fiara no

Card image cap