Naneho ny heviny mikasika ireo filazana zaza very sy olon-dehibe aza, izay niha nirongatra be tato teto amintsika ny Pr Joseph, mpandinika raharaham-pirenena no sady mpanompon'Andriamanitra. Aminy dia fanankorotanana hiniana hatao entin ' ireo fatram - panenjika sy mpankahala izao fitondrana izay tarihin ' ny Kolonely Michaël Randrianirina izao ireny tranga ireny hany ka misy mihitsy ny mahasahy sy mahavita manolotra ny iray tampo aminy na ny zanany ho amin 'ny fahafatesana, araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Marka 13 : 12 ) manao hoe : Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin 'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany ; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman - dreniny ka hahafaty azy. Isika rehetra eny anivon 'ny fiaraha - monina noho izany no mila mandinika sy mitandrina, mba tsy hanaiky ho tambazana vola ho hampiasain ' ny mpanjanaka hifamono eto ! Aza adino fa tsy zakan 'ny frantsay mpanjanaka antsika mihitsy iny fiovana lehibe izay nataotsika nandritry ny fankalazana ny fetin 'ny fahaleovan - tenam - pirenentsika Malagasy tamin 'ny 26 Jona lasa teo iny, izay nisalorantsika ny tena fitafy maha Malagasy antsika sy ny tsy namelana ireo tafika frantsay handray anjara tamin ' iny matso izay notontosaina teo Mahamasina iny niampy ny fanagadrana ireo olon - dRajoelina izay saribakolin 'ny frantsay. Fantatry ny frantsay mantsy hoy izy fa ho very tombotsoa tanteraka izy raha tsy hanjanaka an ' i Madagasikara intsony ; hany ka tezitra ny frantsay, ka dia io izy mandrovi- tsihy io. Koa tsy ho gaga ve isika, raha ny takarivan 'ny 26 Jona no nanomboka io tsy fahitana ankizy io ? ankizy izay nanao arendrina kanefa tsy hita raha tsy efa vatana mangatsiaka sisa, izay hita teny Tanjombato. Koa noho izany, dia samia isika miambina sy mivavaka mafy na eny an - dàlana aza, hoy izy. Namaranany ny teniny ny antso avo nataony tamin'ny kolonely Michaël Randrianirina amin'ny maha olom - boafidin ' i Jesosy Azy. Jereo akaiky Tompoko hoy izy ireo olona hampiasain 'ny frantsay ireo, ary andraiso fepetra faran ' izay haingana, sao ho ringana eto ny vahoaka Malagasy.
Pati
Légende : Pr Joseph mpandinika raharaham-pirenena !