airtel

Fandriampahalemana

14-janv-2026

Zaza voaolana tany

Tsiroanomandidy Nodimandry i Justine, zazavavy vao 6 taona

Sample post image

Namoy ny ainy Nodimandry i Justine kely,

14-janv-2026

ilay zazavavy kely nisy nanolana tany amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy. Afaka omaly Alatsinainy hariva tokony ho tamin'ny 6ora no nandao ny tany izy rehefa niaina tao anaty tsy fahatsiarovan-tena tanteraka nandritra ny 20 andro izany hoe : nanomboka ny 24 Desambra ka hatramin'ny Alatsinainy 12 Janoary. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tsy fantatra ny fotoana nitrangan'ny fanolanana, tsy fantatra ihany koa ny olona nanolana azy. Izy nitaraina fa marary kibo tamin'reo olona mitaiza azy no nahafantarana ilay fanolanana rehefa nentina nanatona dokotera tsy miankina. Teny am-piandohana dia noheverina ho tazo no nahazo azy kinanjo rehefa tonga tany an-trano dia tsikaritra fa simba ny fivaviany. Ny alarobia 24 Desambra no torana sy nifanintona Itompokovavy ka nampidirina hopitaly tao amin'ny CHRR Bongolava. nanomboka teo ny fotoana tsy nahatsiarovany tena. Nalefa teto Antananarivo izy taorian'izany fa tsy maintsy natao scanner. Nanao infection tany anatiny anefa ilay fery ka niparitaka tamin'ny vatany rehetra izany. Nisy loto sy rano tany anaty lohany izay nitarika azy tsy hahatsiaro tena. Simba ny fivaviany, rovitra ny lava-pitombenany... Kamboty ity zaza ity, ary rahalahin'ny dadabeny no nitaiza azy fony fahavelony. Handray 6 taona amin'ny 24 febroary ho avy izao moa izy raha ny hita ao amin'ny kopiany. Lasa nidina omaly any Tsiroanomandidy ny razana, hivantana ao amin'ny tranony ao Mangarivotra. Andrasana ny fandraisan'andraikitry ny Mpitondra fanjakana manoloana ity tranga ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Nodimandry i Justine kely, zaza tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap
04-mars-2026

Olona miisa 3 no voasambotra

Card image cap