airtel

Politique

27-déc-2022

Politique

2022 – taonan’ny krizy Ny olon’ny Fitondrana aza manatsikafona ny tsy fanjariany

Sample post image

Isan’ny nanamarika ity taona 2022 ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny depiote, izay nahitana sonia 105, na tsy tanteraka hatramin’ny farany aza.

27-déc-2022

Mamintina ny tsy fahaizana sy tsy fahombiazan’ny Fitondrana Rajoelina ho an’ity 2022 ity sy ny Fitantanany hatrizay iny, na ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian aza no tena nokendrena sy saika nopalàna tao anatiny. Saika hafatratra tany amin’ny governemanta ny rihitra manontolo, kanefa ny Fanjakana volomboasary amin’ny ankampoben’ny no efa tena tsy mahomby. Navesatra ny fiampangana, saingy niniana natsefotra. Tsy ho voafafa ny fiampangana miisa 3 pejy, izay nisy ny fitombokase mena an’ny Antenimieram-pirenena sy sonian’ny depiote maro an’isa. Voalaza tao anatin’io fangatahana fitsipaham-pitokisana tamin’ny 7 desambra 2022 io, fa tsy manaja ny fisaraham-pahefana ny governemanta, tsy mahatanteraka ny programan’asa voarakitra ao anatin’ny Politika Ankampoben’ny Fanjakana izay natolotra ny antenimiera, araka ny tatitry ny “cours des comptes” voarakitra ao anatin’ny “Loi de reglement 2019” izay milaza fa tsy nahatratra salan’isa ny fanatanterahana ny progaraman’asa satria 45% fotsiny. Nambara ihany koa fa tsy mahafehy ny fahantrana, izay nitombo 81% ny tahany. Natsikafon’ny depiote ny fivoahan’ny harem-pirenena antsokosoko: vato sarobidy, hazo sarobidy, harena an-dranomasina, biby, volamena, ny fanjavonan’ny volamena 36kg tao amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Tahaka izany ihany koa ny fitantanana tsy mazava ny orinasam-panjakana: Air Mad, JIRAMA, FCE, Pharmalagasy, Madarail, SMMC, SECREN,… Ho an’ny toekarena: fisian’ny ampihimamba eo amin’ny fanondranana voly fanondrana toy ny lavanila sy litisy, tsy fifehezana ny vidim-piainana, tsy fisiana famoronan’asa, tsy fisian’ny finiavana hametraka tontolo malalaka sy ara-dalàna ahafahana mandraharaha sy mihary,… Voarakitra tao anatin’io ihany koa ny fanatsikafonan’ny depiote niainga tamin’ny tatitry ny “Cour des comptes” fa tsy misy tratra na iray aza ireo mason-tsivana tamin’ny programa mikasika ny angovo sy ny famokarana herinaratra. Toy izany ihany koa ny tsy fahampiana sy tsy fanarenena ireo fotodrafitrasa fampandrosoana toy ny làlanana, seranana, sekoly,… Tsy ny avy amin’ny mpanohitra irery no nilaza sy niara-nanaiky izany fa ireo depiote IRD aza no maro an’isa, izany hoe: na ny olon’ny Fitondrana aza maro no miara-manaiky fa tsy mahomby ny Fitondrana Rajoelina. Mahafehy zavatra maro ireny, ka maro aza ny serasera sy ny “selfie” miampy fampanantenana zavon-tany, ny fehiny farany, dia miharihary sy tsy iadian-kevitra fa tsy mahomby ny Fitondrana Rajoelina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap