harin-karena miiba -7,1%, vidim-piainana miakatra, tetikasa teleferika miantona, tetikasa tanana vaovao miantona, ny fiverenan’ny fampanantenana efa tamin’ny 13 taona lasa toy ny resaka “Bus” be sy ny maro hafa tsy voatanisa. Saika isan’andro no misy sary fanehoana mirentirenty ny fitokanan’ny filoham-pirenena tombok’asa any amin’ireo faritra samihafa. Manao toy izany koa ireo mpiara-miasa aminy. Mbola mampitaraina hatramin’izao anefa ny haratsian-dalana sy ny tsy fahafahan’ny tantsaha mampiaka-bokatra araka ny tokony ho izy vokatr’izany. Mandry an-driran’antsy, hoy ny fitenenana, ireo mponina vokatry ny tsy fandriampahalemana. Mihena dia mihena ny famokarana. Mitohy hatrany ny fampanantenana isaky ny misy fivoahana. Ny eo tsy vita. Ny hafa asisika ihany. Lasa fanontaniana zary vazivazy ankehitriny ny hoe ho tadidy daholo tsy hisy adino ve ireny fampanantenana rehetra izay hita ho mbola propagandy no sady toa efa propagandin’ny taom-pifidianana manaraka ireny? Voaporofo ny faran’ny herinandro teo iny ny fivadian-dela mikasika ny vidin-tsolika satria raha nampanantena ny filoham-pirenena ny aprily 2019 fa tsy maintsy mihena ny vidin-tsolika dia tsy maintsy miakatra indray, hoy izy, izany ny 15 jolay 2022 teo. Miha tsy voafehy hatrany koa, araka izany, ny serasera am-bava fa ny serasera an-tsara na ilay antsoina hoe “communication visuelle” sisa ezahana atao mipoapoaka.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,