atolotry ny mpitondra fanjakana, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération national. Tokony hampiseho fa efa betsaka ny vitany teo aloha izy, hoy ny filohan’izy ireo, Iada Jean Pierre. Fantantsika tsara fa eo amin’ny fitondrana firenena dia ny olona no misolo fa tsy praograman’asa, hoy izy, na ny asa ho tanterahina. 5 taona ny teo amin’ny fitondrana no nitondra ny tanànan’Antananarivo. Izao mifotetaka amin’ny tany izao ny tanànan’Antananarivo. Na inona na inona izany lazain’izay ho kandida atolotry ny fitondrana, na hampiseho izy fa mahavita zavatra anaty fotoana fohy, dia ampy hitsaràna azy ny 5 taona nitondran’ny olona avy ao aminy ka tsy mahomby satria rehefa tsy mahomby izany dia soloina fotsiny ny olona dia heritreretina fa mety hahomby indray. Ny vahoakan’Antananarivo dia tsy mifidy olona araka ny politika fa araka ny filàn’ny vahoakan’Antananarivo azy. Izany hoe ny fahadiovana, ny fitantanana ny rano, ny fanamboarana ny foto-drafitrasa toy ny elakelan-trano, ny lakan-drano, ny lalan-kely. Izany no hitsaràn’ny vahoakan’Antananarivo, indrindra, fa eo amin’ny lafiny hoe fanatsaràna sy fanavaozana ny trano eto Antananarivo, ny famelàna azy hisitraka tanteraka ny fananany, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny