airtel

Politique

02-juin-2023

Politique

5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika

Sample post image

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

02-juin-2023

ny fitakiana hafa amin’ny hanaovana fikaonan-doha, ny adivarotra hisiana tetezamita na tsia, ny resaka fanitsiana na tsia ny lalàm-pifidianana,… fa ny fifandonana eny an-kianja ihany koa efa mafotaka. Tsikaritra izany eo amin’ireo hery roa nifandona efa tao anatin’ny 15 taona. Taorian’ny tany Analavory, nafampana tao mahajanga omaly noho ny fahatongavan’ny Filoha teo aloha sady Filoha mpanorina ny Antoko TIM Marc Ravalomanana. Hanao Kongresim-paritra ny TIM. Nandeha ny fanakanana satria voalaza fa tsy mahazo mahazo midina ny fiara mitafa amin’ireo olona. Tsy navela nandeha an-tongotra nanentana ireo mpanara-dia azy, ka raikitra indray ny fandravana barazy tahaka ny niseho tany Analavory. Nafana ny fifanosehana, hany ka nirefotra indray ny lakrimozenina tao Antanamalandy. Nisy kosa ny fanentanana nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, nilaza fa taom-pifidianana ity taona ity, tsy maintsy ho avy io, ka tandremo sao tratry ny mpangala-bato fa io no fahavalontsika, hoy ity farany. Ny sary ivelany miseho aloha, dia mihamafana hatrany ny fifandirana eo amin’ny mpitondra volomboasary sy ny TIM. Ny andaniny miezaka maneho fa mbola matanjaka sy mahatarika vahoaka, manamafy ny toerany ara-politika. Toa mampijabaka ny eo amin’ny fitondrana hanao fahadisoana ara-politika hiteraka sary ratsy eo imason’ny vahoaka sy ny iraisam-pirenena,… Ny andaniny efa hita hatramin’izay ny fomba fiasany sy ny fihetsiny, fa tsy te hiraharaha an’izay demokrasia sy fahalalahana any, fa rehefa tsy mifanaraka amin’ny eritreriny dia ataony amin’ny fanaovana azy. Samy miezaka mibahana sy manao ampihimamba ny sehatra politika, samy te haneho fa mbola ao anatin’ny tanjaka tanteraka, ary tsy azo hihodivirana sy tsy azo hahilika amin’ny toe-draharaham-pirenena sy politika eto, ary misy mpandinika aza moa dia milaza fa mifamelona ara-politika ny volomboasary sy ny mena. Raha ny tantara, niaraha-nahita ny 2018, taorian’ny tabataba sy fanoherana, nanaiky nilefitra ny andaniny na nilaza aza fa feno hosoka sy halatra ny fifidianana, fa amin’ity milaza ampy izay ny fandeferana. Ny ankilany milaza fa tsy maintsy handresy ? Mbola ny sary 2018 tokoa ve izany no hiverina ? Mbola mitazana sy mijery ny hirika hidirany ve ny hafa na efa misy 2 sy 3 mety mihetsiketsika aza. Mandra-piandry izay, na mandeha aza ny filazana fa tsy maintsy hisy fifidianana, dia mangotraka aloha ny fifandoloana ka hiniana korontanina mihitsy ve mialohan’ny fifidianana noho ny kajikajy samihafa ? Rehefa mangotraka sy mikorontana vao hoe : andao amin’izay hiresaka ka samy hiady ny tombotsoany eo?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap