Nitarika izany ny Filohan’ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo. Io omaly io no nanoratra anarana tao anaty lisi-pifidianana ilay mpilalao kalazan’ny Barea Arohasina Andriamirado na Dax izay nanentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ihany koa. “Natao ihany koa ny fidinana ifotony mba ho fankasitrahana manokana an’I Dax izay maherifon’ny firenena. Iarahabana azy manokana satria tafiditra anaty lisitry ny mpifidy izy, ary ankasitrahana an-tsitrapo satria nanaiky hiara-hientana amin’ny CENI amin’ny fanentanana eto amin’ny firenena handraisan’ny olom-pirenena anjara amin’ny fanoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana, hanentana ny olona handray anjara amin’ny fanoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana”, hoy hatrany ny Filohan’ny CENI Dama Andrianarisedo. “Manentana ny vahoaka izay mbola tsy nisoratra anarana, mba hisoratra sy hiditra amin’ny lisitry ny mpifidy satria misy fanavaozana izany amin’izao. Manentana ny rehetra satria safidinao fa tsy safidin’ny hafa no hatao amin’ny fifidianana ho avy izao”, hoy moa i Dax omaly. Ho an’ny Fokontany Ambodivonikely dia mpifidy 2129 no voasoratra hatreto, 75% amin’ny tanjona napetraka, hoy ny Filoham-pokontany Rtoa Rajaona Faramalala. Isan’ny olana ny fieritreretan’ny olona sasany fa efa tao anaty lisitra, ka tsy rototra amin’ny fanavaozana, raha ny fanamarihana.
Toky R
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny