dia tsy tahaka izany koa no miseho any amin’ny Faritra Sofia. Mitohy ny lonilony eo amin’ireo samy olon’ny volomboasary, tandrohan’ny Depiote Rahantanirina Lalao na Nina izay Sady Sekretera Nasionalin’ny TGV ny Kolonely Lylison Réné de Rolland governoran’i Sofia sy ireo olona akaiky azy. « Tsy voahafina intsony ny tsy fitovian-kevitra, ary miha mafy ny disadisa eo amin'ny samy tompon'andraikitra sy ny mpanohana ny filoha fitondrana. Miavaka ary mbola mitoetra arak'izany ny tsy fifankazahoana, hoy ny fampahalalam-baovao any Sofia. Anarana telo no notanisain'ny Depiote voafidy tao Mahanjanga, sady filoha lefitry ny Antenimiera, Nina Rahantanirina, ka samy nasainy mba hirotsaka ho fidina raha mafy, fa aza lany andro hanaratsy azy, hoy ny hafatra nataony tamin'ireo nolazainy ho mpankahala azy. "Henoko ny kabarinareo tao amin'i Raholidina, henoko avokoa ny resaka nataonareo tao amin'ny depiote Naivo Raholidina, filoha lefitry Antenimieram-pirenena momba izaho. Ho reraka eo ianareo, milatsaha ho fidina raha mafy, fa aza mandany andro amin'ny SN (Sekretera Nasionaly) Nina. Ny Filoha Andry Rajoelina no maniraka ny tenako miasa ao amin'ny Faritra Sofia", io no hafatra miafina nalefan'ny Depiote Nina Rahantanirina hoan'ny mpanohana ny TGV aty amin'ny Faritra Sofia, hoy hatrany ny vaovao noteterin’ny fampahalalam-baovao. Mbola notohizan'ity Sekretera Nasionalin'ny Antoko TGV ity ny hafatra. "Asaivo milatsaka ho fidina, hoy izy, i Lylyette (René de Roland Lylytte, Depiote teo aloha sady anabavin'ny Governora Jeneraly Lylyson René de Roland) sy Dr Haja ary ny governora nareo (Jeneraly Lylyson René de Roland) raha mafy! Mba firy moa ianareo tsy tia izaho? Ary firy ireo mpankasitraka ahy? Ela nanenjehanareo ahy izay, fa izaho mbola ity ihany! " hoy ny depiote Nina Rahantanirina manoloana ireo resaka miely marobe, lazainy ho fa naratsiana azy. Tsy vao sambany fa efa nisy fotoana nifampitandro ity depiote ity sy ny governoran’i Boeny, ary io indray fa misaongaojy ihany koa izy sy ny governoran’i Sofia. Ity farany izay isan’ireo isan’ny angady nanana sy vy nahitana ny fiakaran’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana ny taona 2009. Naneho ny alahelony tamin’ny filazana fa ireo tsy namoy ny voay no miravaka ny vanginy momba ny fahazoana toerana minisitra, ka ny tsy nitolona indray no lasa Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Raha nandeha ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, dia tsy navohoka i Andry Rajoelina tao amin’ny Faritra Sofia.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,