airtel

Politique

13-oct-2023

Ady ho an’ny fahamarinana

Tongan’ny artista hatrany ivelany ny firaisankina

Sample post image

Anilan’ny marina sy ny vahoaka hatrany na asa io na adidy io ny mpanakanto Rossy,

13-oct-2023

hoy ny mpanakanto sady depiote, Paul Bert Rahasimanana na Rossy, omaly. Efa fanamiako ho marik’izany hatramin’izay, hoy izy, ny fotsy fa aza taitaitra. Misy fotoana ny zava-drehetra. Misy fetra ny fandeferana. Misy fahanginana mankarenin-tsofina , misy tabataba tsy misy mihaino. Mankany mankany io, hoy hatrany ity tompon’ny tapolaka glady ity. Hita ho tongan’ny artista hatrany ivelany ny firaisankina, izany hoe hatrany am-pitan-dranomasina, raha ny mikasika izay ady ho an’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny hetsika fotsy na fanamiana fotsy nanomboka ny 5 oktobra 2023 teto Madagasikara izay. Nampiranty ny sariny mitafy fotsy toy izany koa, ohatra, ny mpanakanto Lolo, izay ao amin’ny Lolo sy ny tariny, ary nilaza fa ilay akanjo fotsifotsy tokony hanaovana isan’andro amin’izay fa tsy alahady fotsiny toy ny voarakitra anaty tononkirany intsony no nisalorany nanomboka iny omaly iny. Ity mpanakanto malagasy ity moa izay monina ao Frantsa amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap