ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) momba ny raharaha fitsipaham-pitokisana teo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Raha hiverenana, dia tafiditra tao anatin’izany ny fitsabahan’ny Filoham-pirenena izay voalaza fa nanome baiko nanatsaharana ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta tamin’ny 7 desambra, ary teo ihany koa ny lanjan’ny taratasy nataon’ny mpikambana sasany ao amin’ny Birao Maharitry ny antenimierampirenena izay nilaza fa tsy araka ny lalàna sy ny fepetra, ka heverina ho toy ny tsy misy ilay fangatahana fitsipaham-pitokisana. Nilaza ny HCC teo anatrehan’izany, fa tsy azo raisina ny fangatahan’ny HCDDED ny heviny momba ny lanja araka ny lalàna ny fanambaran’ny Birao maharitra. Tsy haneho hevitra mikasika ny maha araka ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery momba ny fanatsaharana ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny Birao maharitra noho izany ny HCC. Araka ny nambaran’ny HCC, ny HCDDED dia tsy andrim-panjakana fa rafitra tsotra mifandraika amin’ny lalàmpanorenana, ka tsy manana kalitao sy tsy mahafeno fepetra hanontany ny HCC sy haka ny heviny. Nilaza noho izany ny HCC fa ny fanontaniana momba ny fiheverana fa fitsabahan’ny Filoham-pirenena tamin’ny raharaha anatin’ny Antenimierampirenena na ny fanambaran’ny Birao maharitry ny antenimierampirenena iza nanakana ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny depiote 105, dia tsy tafiditra anaty sokajin’ny fihetsika sy fanapahana ahafahana mangataka ny hevitr’ity Andrim-panjakana ity. Mivalona tanteraka eo izany iny resaka iny, nakaton’ny HCC tamin’ny alalan’ny “irrecevable” na tsy azo raisina ny ridao. Tsara ny manamarika fa depiote avy amin’ny TIM sy ny sasany avy tao anatin’ny GPR no isan’ny nandefa taratasy tany amin’ny HCDDED noho ny fiheverana fa misy ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanitsakitsahana ny demokrasia tamin’ny fanatseforana teny antenantenany iny fitsipaham-pitokisana iny, ary ny HCDDED avy eo nanontany ny hevitry ny HCC.
SAROTRA NY TSY HANOME RARINY NY FILOHA ?
Na inona na inona mety ho endrika fandikana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery mety ataon’ny Filoha sy ny Fitondrana Rajoelina, toa sarotra ny hisian’ny sazy sy fanapahana lehibe avy amin’ny HCC. Toa efa mampanahy sahady ny azo raisina fa tsy mitombina amin’ny 2023. Tsindry politika goavana, na koa hetsika ara-politika mampatahotra toy ny tamin’ny raharaha depiote 73 izay ny taona 2018 vao mety hisy fanapahana lehibe hiseho eo anivon’ny HCC. Ity nataon’ny HCDDED ity moa fakana ny heviny fa tsy fitoriana, saingy toa mitady ho efa taratry ny ho avy.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.