airtel

Politique

17-févr-2023

Politique

Alain Andriamiseza “Mbola malalaka be ny fotoana itadiavana vahaolana”

Sample post image

Natao hametraka ny handehanan’ny fifidianana araka ny tokony ho izy ny CENI, hoy ny filohan’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’I Madagasikara na HIFFIM, Alain Andriamiseza.

17-févr-2023

Tsy misy olana mihitsy, hoy izy, noho izany ny famoahan’izy ireo ny datim-pifidianana. Tsy midika izany hoe hananany ny fitaovana sy fahafahana rehetra hanatontosana ilay fifidianana. Ny zava-dehibe izao dia ny hoe ahoana no hanovana ny fiainan’ny malagasy ho any amin’ny tsaratsara kokoa fa tsy hoe ahoana no hanaovana fifidianana hifidianana filoham-pirenena hamerina indray tsy mety teo aloha? Mbola malalaka be ny fotoana itadiavana vahaolana. Efa mandeha ny dingana ary be dia be ny vondrona efa mitambatra amin’izao fotoana izao. Ho avy ny fanambarana ato ho ato. Tsy maintsy atao aloha ny fikaonandoha hanarenana ny firenena. Harenina ny tsy mety rehetra. Hamboarina ny lalam-pifidianana vao miditra amin’ny fifidianana isika. Misokatra tanteraka ny adihevitra amin’izay lalana heritreretina rehetra fa mahasoa ny firenena sy mahasoa ny malagasy. Tsy mihidy mihitsy amina adihevitra hatramin’izay ny HIFFIM. Ny sasany no mety hoe rehefa tsy mitovy hevitra aminy dia tsy hiresahany fa ny HIFFIM manokatra varavarana foana rehefa hevitra mety hahatsara ny firenena. Heveriko fa izany filoham-pirenena teo aloha izany efa manana traikefa hieritreretana ny zavatra tsy mety sy tokony harenina ka mety ahatonga azy ahatsapa hoe tsy maintsy misy fanarenam-pirenena eto fa tsy mety izany fifidianana fehy fifidianana fotsiny izany. Inona no antoka ho an’ny vahoaka malagasy sy izahay HIFFIM fotsiny, ohatra, raha misy filoham-pirenena lany eo ka hilaza amin’ny minisiteran’ny atitany rahampitso sy rahafakampitso hoe ovay ekipa daholo ny filoham-pokontany? Inona no antoka fa tsy hanao izany izy? Ny lalampanorenana tsy miova, ny lalam-pifidianana tsy miova, ny fitondrana ny raharaham-pirenena eto amin’ny tanintsika tsy miova. Hiteny izy hoe tsy tiako indray ny governora fa ataovy eveka no anaran’ireo dia ho atao eveka. Hiteny avy eo ny HCC hoe mety tsara mihitsy izany, mifanaraka amin’ny lalampanorenana izany. Inona no ho ataontsika? Izay no mahatonga anay HIFFIM manao hoe tsy maintsy misy fanarenana ara-drafitra aloha vao manao fifidianana isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap