Tsy ekena intsony io governemanta io, tsy hijanonana izahay na hosokanana im-polo in-jato aza. Izahay efa nilaza hoe alefaso ny fifampidinihana fa izao ve ny fifampidinihana. Tsy hijanona intsony ny hetsika, betsaka ny azo atao”, hoy ny Filoha lefitry ny RMDM Alain Andriamiseza. “Harahinay isan’andro isan’andro io. Hanomana izahay, hotohananay ny hevitry ry Rahckiky na ry Paolo mitaky ny hisian’ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia eto Madagasikara. Tahaka izany ihany koa ny volamena 36kg very, afaka mitory, hitory izahay, handeha ho any amin’ny tribonaly indray,..”, hoy hatrany izy. Ankoatra ny fanitsakitsahana ny demokrasia, tondroin’ny mpanohitra ho tsy mahay mitantana, indrindra fa ny volam-panjakana sy ny fanampiana iraisam-pirenena ny mpitondra. Niantso ny sehatra iraisam-pirenena tsy hanome vola izao mpitondra izao ihany koa ny mpitarika ny RMDM satria tsy misy zava-bitany, hoy izy ireo. Ho hitantsika eo, raha izao no fihetsiny, tsy mendrika ny homena vola intsony ireo. Paosy graobaka izao ny mahazo ny vahoaka, fahantrana, tsy misy zavatra azo leferina”, hoy hatrany i Alain Andriamiseza.
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,