na Gangtabab izay nifanandrinany tamin’ny orinasa Air France tetsy amin’ny filankevim-panjakana etsy Anosy omaly tokony nanomboka tamin’ny 10 ora maraina. Efa harivariva taty amin’ny 5 ora taty mihitsy izany, raha ny fampitam-baovao voaray, vao nivoaka ny fitsarana an-tampony ny lehilahy sy ireo mpanontrona azy. Nofoanan’ny filankevim-panjakana omaly, raha ny didim-pitsarana nivoaka, ny fanapahana navoakan’ny tribonaly misahana ny raharaham-panjakana na “tribunal administratif” eto Antananarivo izay mandidy ny fitsirihina mikasika ny anton’ny fandroahan’ny orinasa fitaterana ana habakabaka Air France ity mpanao politika, mpanakanto sady mpiasan’io kaompaniam-pitaterana io ity. Mandram-piandry ny fanafoanana na “annulation” izany tanteraka kosa amin’io taona 2024 dia tsy afaka ny handray ny toerana nisy azy teo anivon’ny orinasa aloha ny voakasik’ity raharaha ity na dia isan’ireo sokajiana ho mpitantan-draharaha ao anatin’izany, izany hoe, “cadre” aza. Nisy ihany koa, raha ny fanazavana hatrany, ny fanararaotam-pahefana tsikaritra teo anivon’ny fitsirihina ny asa na “inspection de travail” ka dia andrasana, araka izany, ny mety ho tohin’ity raharaha ity. Ampiasain’ny Air France izany ny fanjakana sy ny fitsarana handroaka ahy amin’ny asa dia ampiasain’ny fanjakana ny Air France hampanginana ny vavako ara-politika, hoy kosa i Gangstabab.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,