rariny amin’ny endriny maro ny vahoaka. Asa malemy sy nohalemena tsy ho afaka hikofoka intsony tokoa ve ka na inona na inona zavatra tsy mety sy tsy rariny eto dia ny mangina sy milefitra ny fahendrena ? Taratr’izany ny tsy fahombiazam-pitantanana asehon’ny mpitondra, ny kolikoly avo lenta, ny afera maizina marolafy, ny trafikana harem-pirenena, ny setrasetra politika,… fa indrindra indrindra ny tsy firaharahiana firy ny fahantrana lalina sy ny krizy ara-tsosialy mitombo andro aman’alina tsy ahitam-bahaolana. Vitavita ho azy avokoa ! Tezaina sy terana hanaiky ny Malagasy fa izao no antsoina hoe : fitantanana mahomby sy fampandrosoana. Ampanantenaina lava fa efa miasa sy mamaha olana ny Fanjakana, kanefa iaraha-mahalala sy mahita fa fampanantenana mandavan-taona, raha tsy hilaza afatsy ny resaka jiro sy rano io. Hita taratra ny fahatezeran’ny Malagasy, saingy izay mihetsika dia ezahana fehezina amin’ny basy aman-tafondro, fa tsy ny olana no vahana. Mety masiaka loatra angamba raha hiteny hoe : raha misy mpitondra tompondakan’ny lainga sy ny fampanantenana poakaty tao anatin’ny 60 taona angamba dia lasan’ity fitondrana ity ny amboara ? Tena tia mampanonofy sy mampanantena ! Raha tsy handray lavitra fa ny mikasika ny herinaratra sy angovo izay mampikolay ny vahoaka mandrak’androany, dia isan’ny teny nambaran’i Andry Rajoelina ny 11 janoary 2012 ny hananganany toby mpihary herinaratra mandeha amin’ny rivotra na « éolienne » hovitaina hatramin’ny faran’ny taona 2012 fa aiza mandrak’ity ny androany ? Tonga ny 2018 nampanantena 400MW anatin’ny 5 taona fa aiza ? Ny 10 janoary 2022, nolazainy indray fa 6 ka hatramin’ny 8 volana sisa dia ho resy ny delestazy. Ny 06 aogositra 2023, nilaza indray i Andry Rajoelina fa nanome toromarika ny Minisitra, ka afaka telo herinandro dia ho resy ny delestazy,… Dia io indray aty amin’ny 2024 fa nandeha ny serasera samihafa rehefa nihaona tamin’ny Frantsay, sinoa, Afrikanina,… amin’ny resaka angovo. Tahaka ny efa tena mandroso be sy mihazakazaka amin’ny fivoaran’ny angovo i Madagasikara, kanefa vao mainka tafalatsaka tanteraka ao anatin’ny kizo sy fihemorana lalina. Nahoana no nanana ambim-bava manodidina ny 100 miliara Ar ny Jirama talohan’ny 2009 kanefa izao bokan-trosa 1500 miliara na mihoatra lavitra noho io aza ? Ankehitriny, ny tolotra tsizarizary, ny vahoaka tangosana amin’ny fanasaziana 5% raha tara ny faktiora, saingy tsy afa-manoatra !
POLITIKAM-PITANTANANA MANIDINTSIDINA
Ampahany iny tontolon’ny angovo iny, fa betsaka ireo resaka nivoaka niditra tamin’ny resaka fitantanana teto. Na ny programan’asa sy ny vina aza tsy misy mandeha amin’izay laoniny, ny laharam-pahamehana tsy mifanaraka amin’ny filam-bahoaka. Ny politikam-pitantanana, politika ara-toekerana, ny politika ara-bola, ny resaka diplaomasia,… manidintsidina eny, ka toa lany andro mitsapatsapa lava. Ny vary lazaina fa 2 taona vao miakatra ka tsy afaka hiandry an’izany, nolazaina fa maivam-bidy noho ny artemesia,… fa taona maromaro aty aoriana milalao serasera amin’ny hoe : hanatratra ny fahaleovantena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny vary safiotra sinoa ! Lazaina fa tsy mila ny mpamatsy vola mahazatra satria tsy hampandroso na hatramin’ny 2060 aza, kanefa io ampirihatin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena io : feheziny tsy afaka manohana ara-bola be ho an’ny Jirama intsony, tereny hampihatra vidin-tsolika tena izy, gejainy hifehy tenda ka ny fampanantenana mitosaka fa ny tetibolam-panjakana mihena,… Fampandrosoana inona no antenaina amin’izany ? Tsy maharototra ny mpitondra intsony anefa izany, fa ny zava-dehibe aminy dia ny fahefana, ny fahitana fa malemy tsy afa-manoatra ny Malagasy, tsy ampahalalaina ny taniny sy ny harenany fa olom-bitsy no mitavana an’izany, tsy havela hikofoka eo anatrehan’ny tsy rariny maro lafy,… Zaran’ny mpitondra aza ny Malagasy mangina sy miraviravy tànana lava eto, fa anjaran’ny rehetra no mifoha sy mandray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena azy. Mila ny rehetra ny fanovana, ka anisan’izany ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, tsy azo atao ny kivy mialohan’ny fotoana, mba tsy ho manodidina ny 40% hatrany ny taham-pandraisana anjara.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,