Raha ny fitondram-panjakana nifandimby dia andeha atao ny lisitra fa izao fitondrana izao no nanao asa be indrindra teto Madagasikara”, hoy I Andry Rajoelina. Nilaza fa mahasahy manao fanamby fa tsy mitsanga-menatra noho ireo fotodrafitrasa maro nambara fa vitany, ka anisany ka ho an’ny tao Ambositra dia anisany ny Fonja manara-penitra, EPP manara-penitra, Kianja manara-penitra, Biraom-paritry ny filaminam-bahoaka, ary ny biraom-paritry ny biraom-paritry ny asa, toby fiantsonan’ny fiara izay notokanany. Somary nahazo aina sy nahazo toky ihany koa I Rajoelina teo anatrehan’ny fisian’ireo depiote IRD maro nanotrona azy, ka niteny fa 100 latsaka ireo solombavambahoaka nanotrona azy, ka nilazany fa mbola tsy nisy hatrizay. Nilaza fa ekena ny zavatra tsy vita sy zavatra mbola tokony harenina, zavatra tokony hatao. Mbola betsaka ny ady tokony hiraisantsika, hoy izy, izay toa te hiteny fa izy izany no tokony mbola hofidiana hitondra indray ny firenena manaraka. Rehefa zohiana, milaza fa nahavita be, saingy ny resaka fotodrafitrasa ve no itarafana ny fandrosoan’ny firenena? Tena ilaina ireny, saingy seho ivelany no betsaka, fametrahana tandindona sy fandokoana ho volomboasary no tena misongadina, fa izay ny toekarena sy sosialim-bahoaka ambony ambany. Mihemotra ny firenena, mitombo ny tahan’ny mahantra izay efa 82% ary ahiana mbola hitombo hatrany, raha ny vinan’ny mpamatsy vola. Ny resaka tsy fandriampahalemana efa tena mampikolay, ary raha tsiahivina dia tany Ambositra no nanaovan-dRajoelina fampanantenana fa hividy angidim-by 10 ny Fanjakana hiadiana amin’ny asan-dahalo. Asa aiza ho aiza izany izao? Lasa tia miresaka finoana an’Andriamanitra hatrany ny Filoha ankehitriny. “Ankininintsika amin’Andriamanitra ny zava-drehetra, isika manam-pinoana, ary ny finoana ananantsika tsy ananan’ny hafa”, hoy I Andry Rajoelina izay nilaza fa izay no mampiavaka azy ireo. Nilaza indray hoe: “rehefa ny Tompo no miaraka amintsika dia tsy misy haharesy antsika”. Raha tena hampiharina amin’ny fitantanana firenena ve ny finoana sy fahamarinana ary fitiavana an’Andriamanitra dia ho tahaka izao ny zava-manjo ny firenena? Tsy takona hafenina ny afera maloto, kolikoly, halatra,… ary misy amin’ireo olona tena akaiky ny fitondrana no betsaka ahenoana afera maloto. Sao sanatrian’ny vava lasa fitaovana politika ny resaka finoana ?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny