tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Ampirimina any am-ponja aloha ? Niampy 2 taona indray ny sazin’i Malama

Nandeha omaly ny Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy na Malama tokony ho efa natao iray volana lasa. Fitorian’ilay teratany vahiny antsoina hoe Olivier Blancard azy ho namoaka vaovao tsy marina.

01-févr-2023

Sample post image

Ity vazaha ity izay nambaran’I Mahery Lanto Manandafy fa mpamatsy bala ny dahalo. Niaraka tamin’io ny fitorian’ilay polisy mpiasan’ny Fiadidian’ny Repoblika izay notononin’I Mahery Lanto Manandafy ho mpanelanelana ilay vazaha sy ny dahalo amin’ny famatsiana bala. Teo ihany koa ny fitorian’I Mahery Lanto Manandafy an’io vazaha io ho nandrahona azy ho faty. Rehefa nivoaka ny didy, nohelohina 18 volana sazy mihatra miampy 2 taona sazy mihatra miampy lamandy 600 000Ar I Mahery Lanto Manandafy. 2 taona sazy mihatra miampy lamandy 600 000Ar kosa ilay lehilahy antsoina hoe: Aurélien izay voalaza fa loharano niaingan’ny ampamoakan’I Mahery Lanto Manandafy. Tetsy andaniny, afaka noho ny fisalasalana ilay teratany vahiny. Nialohan’ny nivoahan’ny didy moa dia efa naneho ny vadin’I Mahery Lanto Manandafy fa misy ny tsindry eo anatrehan’ny raharaha. “Manoloana ny zavatra nitranga hatramin’izay, ny tiako hahatongavana dia ny tsindry mahazo ny mpitsara, naheno zavatra be dia be aho, misy olona “suspendu”, misy baiko midina avy any ambony any”, hoy Rtoa Doris Rakoto Samuel. Nilaza anefa izy fa mitohy ny tolona, ary nanitrikitrika fa zava-marina no nolazain’I Mahery Lanto Manandafy. “Na ahoana na ahoana, izahay tsy hihemotra izany, izy tsy hihemotra, ary izaho vadiny ihany koa manohana azy amin’izany. Misy ny zavatra noteneniny, ary anjaran’ny Fanjakana no manao fanadihadiana lalina momba io zavatra manjo ny vahoaka Malagasy amin’ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena izay mirongatra andro aman’alina, ary mbola tsy nahitam-bokatra hatreto hoe: avy aiza ny fidiran’ny bala sy ny basy eto Madagasikara”, hoy hatrany Rtoa Doris Rakoto Samuel. Isika samy Malagasy, hoy izy, no mifamono eto dia tratra na maty ny dahalo, na ny miaramila no maty, fa tsy mbola nisy mihitsy ny vokatra hoe: avy aiza ny fidiran’ny fitaovam-piadiana eto Madagasikara. Taorian’ny didim-pitsarana kosa, nilaza Rtoa Doris Rakoto Samuel tao amin’ny tambajotran-tserasera fa “Raha mbola misy fofon’aina tsy hanaiky ny fanandevozana. Tsy hanaiky izao Fitondrana didy jadona izao”.
ANY AORIAN’NY FIFIDIANANA…
Raha hiverenana, efa nohelohina 6 volana sazy mihatona sy lamandy 6 tapitrisa Ar noho ilay vaovao mikasika tetezana tany amin’ny RN2 izy.Ny 30 septambra 2022 kosa no nidoboka am-ponja vonjimaika noho io raharaha ampamoaka mikasika bala io Mahery Lanto Manandafy. Nivoaka ny fonja ny fonja ny 31 janoary 2022, nanao fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra vao tafavoaka. Isan’ny navoitrany tao anatin’ilay fandaharana ny 02 janoary 2023, fa efa hitany ny fonja, izay farantapony amin'ny antsonjay, fa tsy ampihemotra azy izany ary hanohy ny tolona tolona izy. Nosamborina ary naverina am-ponja indray ny 4 janoary 2023, ka noho ny raharaha Benessy izay nanamelohana azy herintaona an-tranomaizina araka ny didy tamin’ny 31 desambra 2020 no antony. Io nohelohina tamin’ilay resaka bala io indray izy omaly, izany hoe: any aorian’ny fifidianana filoham-pirenena sy miandry filoha vaovao ho lany izany i Mahery Lanto Manandafy vao mety ho tafavoaka ny fonja, raha tsy misy ny fanenan-tsazy any amin’ny fampiakarana raha hanao izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus