airtel

Politique

11-oct-2023

An’aliny maro nanohana ny diabe

Mihamafy ny tolona, nitsefotra ny fanakorontanana

Sample post image

Na omaly 10 oktobra aza no tetiandro voatoandro hanombohan’ny fampielezan-kevitra, dia nanamafy ary nitazona

11-oct-2023

ny teny nomeny ny Firaisankinan’ny kandida 11, fa mitohy ny tolona sy fitakiana hanadiovana ny fifidianana, izay vao miditra amin’ny Propagandy. Manamafy izy ireo fa tsy feno ny fepetra hisian’ny fifidianana madio sy milamina ary eken’ny rehetra. Mitohy ny tolona sy ny diabe mandra-pahazoana ny fandresena dia ny hisian’ny fifidianana madio, hoy ny Firaisankinan’ny kandida. “Misy miteny fa mitady toerana izahay 11 mirahalahy ka tsy mila izany izahay, aleo fifidianana madio ary avelao ho governemanta marina sy mahintsy, izay ihany no tadiavintsika”, hoy ireo kandida tamin’ny alalan’I Tahina Razafinjoelina. Nanamafy kosa ny kandida Hery Rajaonarimampianina fa tsy tolon’ny kandida 11 ihany fa an’ny Malagasy, tsy an’Antananarivo irery ity tolona ity, fa an’I Madagasikara manontolo, ka mitohy foana hisian’ny fahamarinana sy tany tan-dalàna. Raha hiverenana hatrany ny fitakian’ireo kandida miisa 11 dia ny fanoherana ny tsy fahafahan’ny kandida efa tsy Malagasy intsony hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena eto, fifidianana mangarahara sy azo antoka, fanavaozana ny firafitry ny CENI, fametrahana fisatsarana manokana CES (Cour Electorale Spéciale), fa indindra indrindra tsy manaiky ny governemanta tarihin’Atoa Ntsay Christian ao anatin’ny fotoanan’ny fifidianana. Vao mainka manamafy ny ahiahin’ny kandida ny ampamoakan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Atoa Herimanana Razafimahefa, izay nilaza ofisialy tamin’ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena fa norahonana ho faty izy mba hamotsorana ny fahefana hitantana ny firenena taorian’ny fialan’ny Filoha teo aloha izay kandida, araka ny voalazan’ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana. “Tsy ekena ny Fanjakana mafia sy mpanao “coup d’Etat””, hoy ny sora-baventy niranirany. Vahoaka sesehena an’aliny maro no nitanjozotra nanamafy ny tolona, nanaraka antsakany sy an-davany ny toromariky ny mpitarika.
TSY NAHOMBY NY FANAKORONTANANA
Nisy ny fambolena korontana sy fihantsiana tahaka ny nialohan’ny hidirana ny tsenan’Anosibe izay nisiana fiatoana kely mihitsy, saingy tsy nahatohitra ny herin’ny tolona izay nandeha am-pilaminana. Olom-bitsy mitaha amin’ny vahoaka mpanara-dia an’aliny satria am-polony izay heverina fa efa voakarama sy nomanina hanao “contre-manifestation” no hita teny antsefantsefany teny, nilaza sora-baventy nilaza fa tsy mila korontana, aleo handeha ny fifidianana,… Hatramin’izay, tsy nisy fanakorontanana nataon’ireo kandida sy ny mpitolona, tsy nisy na mangazay iray aza vaky fa tsy tahaka ny tamin’ny 2009, tsy nisy na fitaratra iray vaky, tsy nisy toeram-pivarotana iray voaroba,… Tsy nahasakana ny tolona am-pilaminana noho izany efa fanomanana olona nikasa hanakorontana nandritra ny diabe omaly. Tany am-pamaranana, namerina indray ireo kandida fa raha tsy misy ny sampona dia mitodika any amin’ny HCC ny masontsika satria tsy maintsy haverina amin’ny vahoaka ny fahefana, ary fifidianana madio ihany no hamerenana ny fahefana amin’ny vahoaka Malagasy, hoy hatrany izy ireo. Misy mampitahotra, ka aza matahotra, samy nosoran-dreniny menaka, misy milaza fa manana vahoaka fa isika manana lavitra, hoy I Marc Ravalomanana. Mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona kandida mpifaninana ary tsy dia mitovy fijery politika loatra, kanefa noho ny firenena dia miray feo, hoy ny Kandida Roland Ratsiraka nanamafy fa tena miray hina izy ireo. Nanamafy ireo kandida fa tsy maintsy mandroso ho an’ny tanindrazana, hamerina ny tany tan-dalàna satria izany no antoky ny fampandrosoana ka raha mbola sahy ny vahoaka dia izahay ihany koa eto foana, hoy izy ireo. Misy maloto heritreritra fa isika madio heritreritra, hoy ny Firaisankinan’ny kandida nanamafy fa tsy mijanona ny tolona raha tsy tratra ny tanjona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap