Nambara fa hanana 20 andro hanamarinana sy hisoratana anarana indray ny olompirenena aorian’ny 10 jona io. Haverina eny anivon'ny fokontany mantsy ny lisitra aorian’ny 10 jona). Omena 20 andro hanamarinana ny mombamomba azy ny olom-pirenena tsirairay. Afaka misoratra anarana, mandritra izany, izay mbola tsy tafiditra. Aorian’izay vao hifarana tanteraka ny Lisitry ny mpifidy sy ny Rejisi-pifidianana nasionaly, araka ny nambaran'ny filohan'ny CENI Dama Andrianarisedo ny talata teo, nandritra ny fizarana ny tambin-karama ho an'ny Vaomiera ifotony mpanisa mpifidy (CLRE) ka nanomezana ny toromarika momba ny asa atao aorian'ny 10 jona io. Hatreto, mbola tsy misy datim-pifidianana mazava, fa roritin’ny Fitondram-panjakana amin’izay mahamety azy na efa namoaka tolo-kevitra aza ny CENI, ary efa nankatoavin’ny HCC. Resahana foana ny hoe tsy maintsy hisy fifidianana Filoham-pirenena amin’ity 2023 ity, kanefa toa tsy manam-pahasahiana hamoaka ny didim-panjakana sy ny daty mazava ny governemanta, izay nilaza fa any amin’ny 12 jolay farafahatarany. Asa izay zavatra mbola hiseho eny antsefantsefany eny eo anatrehan’ny toe-draharaha politika ankehitriny.
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany