Natao andrimaso ny Kianjan’ny 13 may sy ny Kianjan’Ambohijatovo. Ity farany izay efa andrasana foana isaky ny sabotsy, saingy nohamafisina izany omaly. Fa inona no mitranga? Misy ambana ara-politika goavana angaha? Nisy ny fihaonana sy fifampidinihana ary fanambarana saika hataon’ireo olom-boafidy sy kandida ho Filoham-pirenena teny Mandrimena Andoharanofotsy ny alatsinainy teo, saingy nosakanana, tsy navela hiditra tao anatin’ny efitrano sy toerana mifefy. Nikisaka teny an’arabe, niteraka fahatapahan-dàlana. Tsy nisy aloha ny fanambarana na fampiomanana avy amina vondrona na antoko politika ka nilaza hidina eny an-dalambe, ary ny fanambarana sy fanehoan-kevitra tetsy Mandrimena aza dia nilaza fa raha mbola zavatra azo alamina aleo tsy hiandrasana na hambolena korontana. Ny 31 aogositra lasa teo no efa nisy ny fanambarana nataon’ireo Lehiben’ny Fibaikoana eo anivon’ny tafika, ny zandarimaria, ary ny eov anivon’ny polisim-pirenena nilaza fa misy ny teti-dratsy tiana volena ka hikasana hampifandrafiana ny samy Malagasy. Nambara tamin’izany fa tsy misy lalana na fomba hafa ankoatra ny fifidianana ambaran'ny lalampanorenana sy ny lalàna manan-kery ahafahan'ny vahoaka mampiasa ny fahefany hisafidy izay olona tiany hitantana ny firenena; tsy misy rafitra na iza na iza ihany koa afaka misora-tena handrombaka ny fiandrianan'ny vahoaka (souverainetė populaire), ka nilaza fa sarotiny amin'ny fampanajana izany voalazan'ny lalàna fototra izany ny mpitandro filaminana….. Hijoro ary tsy hanaiky ny fanakorontana na amin'ny endriny mivantana na an-kolaka eto amin'ny firenena izahay mpitandro filaminana, hoy io fanambarana io. Herinandro latsaka aty aoriana, dia io no sary mitranga, tahaka ny hoe: tany miady ny firenena.
3 ANDRO MIALOHAN’NY HIALAN-DRAJOELINA RAHA KANDIDA
Mafampana ity herinandro ity ho an’ny politika satria mifanarana anio ny 06 septambra ny fe-potoana fandrotsahana antontan-taratasy ho an’ireo kandida ho Filoham-pirenena. Isan’ny andrasan’ny maro ny mikasika ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina izay re fa mety hanambara ny firotsahan-kofidiany anio tolakandro, ary mandeha ny feo fa mety hisy diabe miainga ao Mahamasina makany amin’ny HCC hataon’ireo mpomba azy hanatitra ny dosie firotsahan-kofidiany, mpahay lalàna vadina minisitra iray no voalaza fa hitondra ny dosie. Afaka 3 andro dia hametra-pialana I Andry Rajoelina raha mbola ho kandida tokoa noho ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana izay mamaritra fa tsy maintsy miala 60 andro mialohan’ny latsa-bato. Efa niarahan’ny rehetra naheno ny fanambaran’ireo herivelona, mpanao politka, fa indrindra ireo kandida ho Filoham-pirenena izay nanambara fa tsy ara-dalàna ny ho firotsahan’I Andry Rajoelina. Miomana amin’izay mety ho fanoherana izany ve ny mpitandro filaminana? Inona no mety hitranga aoriana eo anatrehan’ny resaka mandeha fa misy ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika hiatrehana ny mety ho fisiana hetsi-bahoaka? Hisy tokoa ve ny fisamborana mpanao politika avy amin’ny mpanohitra ato ho ato araka ny feo mandeha?
Toky R
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny