Raha nizotra an-tsakany sy an-davany ny tetsy Mahamasina notarihin’ny Vadin’ny Filoham-pirenena Rtoa Mialy Rajoelina, eny fa ny talata 7 martsa aza dia efa nanao diabe nanapaka arabe namakivaky an’Akorondrano niazo an’Alarobia, dia tsy izay kosa no nitranga ho an’ny vehivavy TIM tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Behoririka. Vao maraina dia efa rakotra mpitandro filaminana tetsy amin’ny Magro sy ny manodidina. Tsy navela hiditra tao amin’ity toerana ity ireo vehivavy TIM Analamanga fa mpitandro ny filaminana nirongo basy no efa niantrana teo vao mangiran-dratsy. Nialoha an’io anefa izany hoe: ny 7 martsa, tsy nisy ny sakantsakana fa afaka nametraka ny lapihazo sy ny fitaovana hoenti-manamarika izany ireo vehivavy TIM. “Fety sy fotoam-bavaka no ataonay, tsy misotasota, tsy miady amin’ny mpitandro filaminana satria baiko ny azy ireo”, hoy Rtoa Arphine Rahelisoa Mpitarika ny vehivavy Analamanga, izay nanamarika fa andro maneran-tany io, tsy ilàna fahazoan-dàlana. “Isika vehivavy no fototry ny fandrosoana miainga amin’ny ankohonana hatrany amin’ny fiainam-pirenena”, hoy Rtoa Mialy Rajoelina teny Mahamasina omaly, saingy tsy tafiditra amin’io izany ny vehivavy TIM? Tsy fombana ny TIM mihitsy, fa sady mampihomehy no mahamenatra ilay fihetsika sy fepetra hoe: hatramin’ny vehivavy mandeha amin’ny tanam-polo aza ve atahorana mafy hanonganam-panjakana na hanakorontana? Zary lasa mahatonga ny olona hiteny hoe: Fanjakana tsy mahatoky valera intsony hany ka hatramin’ny vehivavy hankalaza 8 martsa aza mampitsangam-bolo? Ireny sary omaly ireny aloha, dia mamafa tanteraka ny lazaina fa finiavana sy ezaka ataon’ny vadin’ny Filoham-pirenena hanandratra ny hasin’ny vehivavy, fa zary lasa manome endrika fihatsarambelatsihy.
Toky R
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika