airtel

Politique

22-août-2022

Politique

Andry Rajoelina “Hahazo fiaramanidina i Sainte Marie”

Sample post image

Taorian’ny diany tany Autriche sy Frantsa, niazo ny Nosy Sainte Marie ny Filoha Rajoelina ny sabotsy sy alahady teo.

22-août-2022

Nitokana fotodrafitrasa toy ny Birao vaovaon’ny Kaomisarian’ny Polisy, ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny lalana vita rarivato ao Analamboanio ary ny Biraon’ny Ofisim-paritry ny Fizahantany. Nanamarika ny hetsika "Baleines en fête" tao Sainte-Marie ny carnaval lehibe izay nanehoan'ireo mpandray anjara ny harena sy ny kolontsain'ity nosy ity. Naneho I Andry Rajoelina fa fanoitra mampiodina ny toekaren'ny nosy Sainte Marie tokoa ny fizahantany. Nisy noho izany ny fampanantenana nataony, tahaka ny any amin’izay alehany fa ho famelomana indray izany, afaka fotoana fohy dia hisy fifanarahana vaovao hosoniavina afaka herinandro vitsivitsy hahazoana fiaramanidina an’ny Air Madagascar hampitohy mivantana an'i Sainte Marie sy ireo nosy rahavavy. Efa misokatra ny fizahantany, ny tsy ahafahan’I Sainte Marie misitraka sidina mivantana iraisam-pirenena dia ny tsy fisian’ny fiaramanidina, ka izay no nambara fa anton’izao fampanantenana fiaramanidina izao. Nilaza moa I Rajoelina fa veliranony izany, ary mbola hiverina any Sainte-Marie izy, tsy hijoro eo anatrehan’ny vahoaka raha tsy eo fiaramanidina. Nambara fa hafainganina ihany koa hoy ny Filoha ny fanamboarana ireo lalana izay misy efa tafiditra ao anatin’ny tetikasa PIC. Ho famahana ny olan'ny herinaratra dia hisy ihany koa ny fametrahana ao an-toerana toby mpamokatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro izay hamokatra hatramin'ny 1MW. Niezaka naka ny fon’i Sainte Marie ny Filoha ankehitriny, izay naneho sy nampahatsiahy fa tia azy ny ao Sainte Marie satria 83% ny salan’isa azony tamin’ny fifidianana. Efa miditra tsikelikely amin’ny endrika propagandy ankolaka ihany ny Filoha Rajoelina rehefa zohiana ny zava-misy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

Card image cap
07-mai-2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

Card image cap
07-mai-2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

Card image cap
07-mai-2024

Na tsy mandray anjara mivantana amin'ny fifidianana solombavambahoaka aza i Guy Rivo Randrianarisoa

Card image cap
07-mai-2024

Ifaninananareo ny miditra am-piangonana, hoy ny filohan’ny Vahaolana anio sy rahampitso na VAR,

Card image cap
06-mai-2024

Tsy manohana kandida hafa ankoatry ny avy amin`ny Vovonana Firaisankina izahay

Card image cap