airtel

Politique

07-mai-2024

Vovonana Firaisankina

« Aoka ny CENI sy HCC tsy hitanila, tsy hitazam-potsiny izahay »

Sample post image

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

07-mai-2024

nanamafy ny fitakiana fifidianana madio sy tena demokratika ny vovonana Firaisankina. Manitrikitrika fa izany ihany no lalana hananana solombavambahoaka tena mendrika sy vokatry ny safidim-bahoaka. Noho izany teboka maro no hitrikitrihan’izy ireo fa mila hajaina ao anatin’ny fampielezan-kevitra dia ny : Fahafahan’ny Kandida rehetra haneho ny heviny sy handresy lahatra malalaka ny Mpifidy, fitovian-jon’ny Kandida rehetra tsy misy fanavakavahana sy fanilikihana , fa indrindra ny fandraisana fepetra sy fanasaziana ireo rehetra izay mandika lalàna. Mba hizoran’ny fampielezan-kevitra ao anatin’ny Fanarahan-dalàna sy Filaminana tanteraka, miantso ny Fitondram-panjakana hampitsahatra ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy ny Fitaovam-panjakana ary ny Mpiasam-panjakana hanohanana Kandida mandritra ny fampielezan-kevitra izy ireo ; mitaona ny CENI hanatanteraka ny asany ara-potoana ao anatin’ny tsy fiandaniana sy ny fahaiza-manao matihanina tanteraka. Miantefa amin’ny CENI sy ny HCC ihany koa mba tsy hitanila ary hampiasa ireo fahefana omen’ny Lalàna azy, ka handray andraikitra manoloana ireo ambaran’ny vovonan’ny fanoherana fa tsy fanarahan-dalàna maro mitranga. Hafatra miantefa amin’ny firaisamonim-pirenena nataon’ity vovonana ity ihany koa ny fanamafisana ny fanabeazana sy ny fanentanana ny mpifidy ary hanara-maso sy hitoroka ireo tsy fanarahan-dalàna mety hitranga. Noho izany, miantso ny mpifidy tsy ho variana amin’ny endrika sy fisehoana ivelany ary ireo hiaka mifono fampanantenana feno fitaka, fa hifantoka tanteraka amin’ny hevitra hitondrana ny Firenena izay hasehon’ireo Kandida ny Vovonana Firaisankina tao anatin’ny fanambaran’izy ireo. Ho an’ny raharaha anatin’ity vovonana ity dia nomena toromarika ihany koa ireo kandida natolony hanaja ny Lalàna sy ny Fifanajana, mba hisian’ny Filaminana sy ny Fitoniana mandritra ny Fampielezan-kevitra. « Tsy hitazam-potsiny fotsiny izahay, ary tsy hilefitra handray ny andraikitra sy ireo fepetra rehetra hanoherana izay tetika sy kajikajy maloto hamadihana ny safidim-bahoaka . Manainga ny vahoaka ho sahy sy ho vonona handray ny andraikitra ao anatin’ny firaisankina tanteraka mandritra ny fifidianana rehetra ho fametrahana ny tany tan-dalàna sy ho famerenana an’i Madagasikara ho an’ny Malagasy », hoy ny fanambaran’i Marc Ravalomanana. Betsaka ny fanambarana sy fampitandremana tahaka izao nataon’ny fanoherana nialohan’ireo fifidianana efa nisy. Nandeha ny hetsika samihafa nitakiana fifidianana madio, nanoherana ny jadona sy tsy fanarahan-dalàna,… fa nandeha ihany ny amboletra. Ankehitriny, ny rafitra tsy niova, ny fahefana mitsara fifidianana tsy miova. Izao dia efa mandeha ny endrika fandikan-dalàna samihafa ataon’ny kandidam-panjakana. Manantena hahazo rariny ve ny fanoherana, inona no mety hataon’izy ireo raha mbola hiverina ny sary sy ny tranga efa nitranga teo aloha?
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap