Jerry Rakotoarijaona. Toy izany koa, hoy izy, ny maka tso-drano etsy sy eroa, ny mitakosina amin'ny fiarahamonina kanefa misy aminareo tsy ho lany mihitsy ary misy tsy ho lany intsony. Na izany aza dia misy aminareo koa ho lany noho ny loko na vondrona politika na anaran'olona entinareo fotsiny fa enga anie ka hitondra soa ho an'ny vahoaka soloinareo vava hiteny tokoa ny fisianareo ao! Solon'ny vavan'ny vahoaka hiteny hoy aho fa tsy solon'ny vavany ihinana izay tokony ho anjarany indray akory. Misy aminareo koa dia ilay "immunité parlementaire" na fiarovana manokana amin’ny maha depiote no tena mahamaika azy hirotsaka ary hanaovany izay fomba rehetra ahalany azy. Azafady! Tsy dia fampiasa amin'io toerana io ilay hoe "asa fa tsy kabary" fa sady mila mahay miasa no mila mahay mikabary izany depiote izany, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby