lefitra avy amina fokontany miisa 14 ao amin’ny boriboritany faha 4 dia Ankadilalana, Ambanin’Ampahamarinana, Soanierana, Andohalo 3J, Fiadanana 3L, Tsimialonjafy, Madera Namontana, 3G3M Andrefan’Ambohijanahary, Anosibe Andrefana I, Ilanivato, Ampasika, Anosizato atsinanana I, Ankazotoha, Anosimahavelona, Ambolaniray, Anosibe Ambohibarikely, Andavamamba Ambilanibe fa noho ny tsindry atao amin’izy ireo sy ny ramatahora rehefa tsy mety hanaraka baiko araka ny nambaran’ireo kandida sasany dia nahato tamin’ny asa maha sefo fokontany azy izy ireo ary antony nitovy daholo no nanesorana azy ireo. Milaza nefa, hoy izy ireo, fa tokony tsy hitanila ny sefo fokontany. Izany mihitsy tokoa anefa izahay nandritry ny fotoana nitantanana ny fokontany. Nametraka fitarainana teny amin’ny fitsarana administratifa na fitsarana miady amin’ny fanjakana izahay, araka ny andininy faha 69 ao amin’ny fehezan-dalàna 2001-025 tamin’ny 9 aprily 2003. Nahaton’ny fitsarana noho izany ny didim-pitondrana nampiatoana anay mandra-pahatonga ny fotoana amoahan’io fitsarana io ny valin’ny fangatahana ary manohy ny asa hatrany aloha izahay. Taorian’ny fahazoanay izany taratasy famerenana hiasa izany dia nametraka izany taratasy izany teny anivon’ny prefektioran’Antananarivo izahay. Hiasa ho an’ny vahoaka no nametrahana anay eo. Mila filaminana sy fitoniana ny vahoaka, hoy hatrany ireto sefo fokontany nesorina tanaty akatoky ny fifidianana ireto ary nanamafy fa naverin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana hiasa izy ireo.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,