airtel

Politique

07-mai-2024

Guy Rivo Randrianarisoa

"Zavatra roa no hiseho eto raha resy ny kandidan'ny mpitondra"

Sample post image

Na tsy mandray anjara mivantana amin'ny fifidianana solombavambahoaka aza i Guy Rivo Randrianarisoa

07-mai-2024

na GR ho an'ireo olona akaiky azy dia manaraka akaiky ny raharaha politika ay ny fiainam-pirenena.Ho an'ity efa solombavambahoaka ary minisitra teo aloha , anisan'ireo akaiky an'i Marc Ravalomanana dia zavatra roa ihany no hiseho rehefa resy eo ny kandidà ny mpitondra na ireo sokajiana hoe kandidam-panjakana
HANAKORONTANA
Voalohany, hoy i GR dia tsy vita akory ny fanisam-bato dia korontaniny ny birao maharesy azy. Faharoa dia foanan'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC ilay Birao nisy korontana Ka hivoaka mandresy zareo eo amin'ny disitrika na mizara ny toerana raha roa ny lanina.
AZO SOROHANA
Ka raha tsy te ho tonga amin'izay isika dia mila misoraka mialoha, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa fa raha sanatria tonga amin'io lazaiko io, na hitabataba eto amin'ny facebook eto toa ny mahazatra aza isika, efa io no didy havoakany.Mitovy amin'ireo kandidà tsy afaka nilatsaka ihany satria tsy nahazo fanamarianan-ketra. Dia samy vita matavy teo. Toa te hiteny izy hoe mila atao faran'izay matotra sy tsy azo hozongozonona amin'ny foto-keviny ary mahalala tsara ny andraikiny ireo delegen'ny mpanohitra isaky ny birao fandatsaham-bato. Mila mikaroka hevitra hisorohana na hifehezana ny korontana fa tsy sanatria ho tafiditra anaty vela-pandrika.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap