airtel

Politique

03-août-2023

Politique

Andry Rajoelina Mety tsy ho kandida fa manakorontana daomy fotsiny

Sample post image

Hatreto, mbola tsy nilaza ofisialy ny haha kandida Filoham-pirenena azy na tsia ny Filoha am-perinasa Andry Rajoelina. Iray volana sy herinandro sisa hitondrany,

03-août-2023

raha mbola hirotsaka ! Betsaka ny tsindry, ary misasavovona ny sakana mety tsy hahafahany mirotsaka raha ny sary politika miseho ankehitriny. Raha ny raharaha anatiny, mbola baraingo tanteraka ny ho avy politikan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Isan’ny adihevitra tsy mety tapitra ny fahafahany mirotsaka hofidiana na tsia na mandeha aza ny don-tandroka sy fandemen-tsaina ataon’ireo olon’ny volomboasary sasany milaza fa aza atao an’heritreritra na kely aza izany Rajoelina tsy ho kandida izany. Nivoaka omaly ny pitsopitsony ara-taratasy momba ny firotsahan-kofidiana ho Filoham-pirenena ka tafiditra ao ny taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena Malagasy. Hanao ahoana ny didim-pitsarana momba ny fitoriana azy? Mbola hahazo izany an-kahalalahana ve I Andry Rajoelina eo anatrehan’ny lalàna izay ifandroritana? Ny taratasy ofisialy momba ny “naturalisation” mikasika azy efa nivoaka sy niparitaka, ary tsy azo lavina, noboriboriany tamin’ny hoe: izay taratasy kely 8cm ve? Fa angaha ny lalàna mandeha amin’ny santimetatra? Mbola voahaja ve ny soatoavina Repoblikanina sy Fanjakana tan-dalàna? Mihamafy ny tsindry mahazo eo anatrehan’io satria efa mandeha ny fampitandremana samihafa, fa hiteraka olana goavana na sanatria sakoroka politika ny mety ho fihetsika na fanapahan-kevitra tsy voatandrina mikasika an-dRajoelina, ary mahalala an’izany ny sehatra iraisam-pirenena. Iny nandeha iny ny fakan-kevitra nataon’ny iraky ny SADC, izay heverina fa mahalala ny zava-misy eto fa nanamafy sy nanamarina. Vao miresaka SADC dia efa ny Fianakaviam-be iraisam-pirenena izay no mby ao an-tsaina, fa endrika ao anatin’ilay an-tanan-tohatra ara-drafitra na “principe de subsidiarité” no itondrana azy. Nisy ny valin-teny niraisan’ireo Antoko sasany izay azo lazaina ho isan’ny antoko lehibe eto, izay nanamafy sy naneho, fa tsy feno ny fepetra hisian’ny fifidianana milamina sy mangarahara, ary mihamafy hatrany ny fiampangana ny mpitondra sy ny fanehoana fa tsy misy antoka amin’ny maha tsy mitanila ireo rafitra mikarakara sy mitsara ny fifidianana ankehitriny. Ara-politika, karazan’ny tratry ny angaredona tanteraka I Andry Rajoelina, kanefa ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa mandeha ny tsindry amin’ny endriny samihafa. Mandeha ny resaka fa mety tsy ho kandida mihitsy ity farany, kanefa manakorontana daomy fotsiny, tahaka ny sary efa niseho tamin’ny 2013 nisian’ny “ni…ni…”, ka tambin’ny tsy nahafahany nirotsaka dia tsy navela ihany koa ny mpifanandrina voalohany taminy tamin’izany. Asa izay mety ho endriny amin’ity ? Na kandida aza izy, tena nihena be ny herijikany, eo ny tsindry ara-politika fa teo ihany koa ny tsy fahombiazany ka heverina fa karazan’ny tsipaky ny miala aina ny fihetsiny ankehitriny !
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap