airtel

Politique

21-nov-2022

Politique

Andry Rajoelina Miampy isan’andro ny fampanantenana tsy tanteraka

Sample post image

Ny fangatahanay dia mba ny fanjakana mihitsy no mibaby sy miandraikitra ny fandoavana ireny “Coupe du Monde”,

21-nov-2022

CAN, “Jeux Olympique” be dia be ireny, hoy ireo mpanao gazetin’ny haino aman-jerim-pirenena tamin’ny fotoanan’ny fifanatrehan’ireo kandida ho filoham-pirenena tamin’ny fampielezan-kevitra ny taona 2018. Tena tsy zaka ilay izy nefa ny vahoaka mitaky ny mila ahitana ireny tahaka ny olombelona rehetra any amin'ny firenen-kafa, hoy ireo mpanao gazety, raha tsiahivina. Mba manaiky ve ianareo hampiditra izany ao anaty tetibola, hoy ny fanontaniana nipetraka? Namaly moa ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’izany hoe ianareo angamba vavolombelona tato fa tamin'ny andron'ny tetezamita dia tena izay noteneniko hoe mila filoham-pirenena tanora ny malagasy. Mahafantatra ny zavatra ilain'ny tanora, mahafantatra ny hetahetam-pon'ny tanora, izay noteneniko hoe misy ny “Mondial”. “Complet” ny “match” nalefantsika tamin'ny andron'ny tetezamita. Gaga aho mitaraina ny olona tamin'ny hoe misy filoham-pirenena lanim-bahoaka teo fa “match” atsasany ihany no afaka nojeren'ny vahoaka malagasy. Izaho dia manome toky fa ny “match” rehetra, na io “coupe du monde”, tena ho hitan'ny vahoaka malagasy iray manontolo ny “match complet” eto amin'ny TVM. Izay no toky omeko, hoy hatrany ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’izay fotoana izay. Lalao miisa 28 amin'ny 64 ihany no halefan'ny TVM anefa, araka ny fampantarana ankehitriny ao anatin’izao tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra atao ao Qatar izao. Aiza ilay hoe “match complet”? Ilay teo aloha nofantsihany tamin’izany aza mbola nahavita nandefa atsasaka lalao fa ity tsy misy atsasany akory. Izay rehetra nampanantenaiko tsy maintsy tanterahiko, hoy ny famerimberin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Miampy isan’andro ny fampanantenana tsy tanterany anefa ankehitriny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap