nandritra ny fanokafana ny Fikaonandoham-pirenena teny amin’ny CCI Ivato. Nambarany fa io antony nametrahana ny velirano faha-12 izay milaza fa hametrahana rafitra ka nanomezana andraikitra amin’ny fitsinjaram-pahefana faritra. Tanjona napetraka ny “présence de l’Etat”, nametrahana sy nanaovana fotodrafitrasa manaiky vahoaka sy ilain’ny vahoaka: sekoly, hopitaly, kianja, birao samihafa,… Tsy fantatr’izay tsy mila izany, fa ny faritra rehetra no maneho fankatoavana sy fankasitrahana ny asa izay natao tany amin’ny faritra nanatanterahana azy. Isika tsy manao fanambarana na resaka ambony latabatra na anaty birao, fa ao anatin’ny fanatanterahana ka manaporofo izany ny fikaonandoha izao izay iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, hoy hatrany I Andry Rajoelina. Nametraka faritra 2 noho ny fahatsapana fa mila manakaiky ny faritra ny fampandrosoana. Napetraka ny faritra faha-23 dia I Vatovavy, ary vao tsy ela no naneken’ireo parlemanta ny faritra faha-24 Ambatosoa izay ahitana an’I Mananara sy Maroantsera. Nilaza fa mariky ny tantara ny Lapan’ny tanàna ao Analakely izay may, saingy natsangany. Mpanorina, mpanangana, manarina izay simba, manangana sy mampandroso an’I Madagasikara. Rehefa zohiana, nafantoky ny Filoham-pirenena tany amin’ny resaka fananganana fotodrafitrasa ny resaka fitsinjaram-pahefana, ary teo ihany koa ilay hoe: fanomezana faritra miisa roa, raha toa ka tany amin’ny resaka fitsinjarana ara-bola ho an’ny kaominina, faritra,… kosa no nitondran’ny Minisitry ny atitany azy, ka nilazana an’ilay 15 tapitrisa Ar isaky ny kaominina izay nakarina ho 30 tapitrisa Ar isan-taona. Eo ihany koa ny faritra izay 2 miliara isanisany eo hatreto, saingy rehefa zohiana, mety misy ny endrika fitanilana satria misy faritra ahitana distrika 9 ary misy distrika 2 fotsiny no mandrafitra azy. Nisy ny fakan-kevitra isam-paritra nanerana ny Nosy nandrafetana io drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana ity. Nanotrona an’io moa ny Mpikamban’ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra, ireo mpiara-miombon’antoka, ireo Lehiben’ny distrika.
Toky R
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny