airtel

Politique

30-août-2022

Politique

Andry Rajoelina “Sokafana avy hatrany ny fanadihadiana…”

Sample post image

Mandray andraikitra ny fanjakana foibe ary manome tanana ny olomboafidy raha ny mikasika ny raharaha Ikongo, hoy ny tatitry ny tomponandraikitry ny seraseran’ny filoham-pirenena teo aloha, Rinah Rakotomanga.

30-août-2022

Nitatitra moa ny tenany fa mipetraka ireo fandaminana ataon'ny tafika malagasy. Hidina any an-toerana ny minisitra misahana ny ministeran'ny fiarovam-pirenena rahampitso (TTF: anio) miaraka amin'ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana izay mamita iraka any amin’ny faritr'Alaotra. Nanambara ny alahelony noho ny famoizana mpiray tanindrazana sy ny fepetra napetraka manodidina ity raharaha ity ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izay manaraka akaiky avy any Paris-France ny fizotry ny toedraharaha ka nilaza fa tamin’alahelo lehibe no nandrenesany ny zava-nitranga, ny tifitra, namoizana ain’olona am-polony tany Ikongo omaly. Miara-ory amin’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy ny filoham-pirenena ary miondrika am-panajana manoloana ireo aina nafoy. Manamafy ihany koa anefa fa tany tan-dalàna i Madagasikara ary sokafana avy hatrany ny fanadihadiana mba hahalalana faran’izay haingana ny antony marina sy ny tomponandraikitra tamin’ny zava-nitranga. Sarobidy loatra ny aina koa miantso ny rehetra ny filoham-pirenena mba ho tony hatrany sy hitandro hatrany ny fihavanana izay soatoavina ijoroantsika malagasy, hoy hatrany ny tati-baovao nataony.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap