airtel

Politique

16-juin-2023

Politique

Andry Rajoelina Tena Frantsay marina

Sample post image

Nohamafisin’ny gazety Frantsay Le Monde nivoaka omaly alakamisy 15 jona fa tena mizaka ny zom-pirenena Frantsay tokoa ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina.Nisy,

16-juin-2023

hoy ity gazety ity ny resaka nifanaovana tamin’ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika, Romy Voos Andrianarisoa, ka nanambarany fa Gasy ray, gasy reny, ny filoha Andry Rajoelina, fa kosa manana ra Frantsay amin’ny alalan’ny razambeny, ary misitraka ny zom-pirenena roa, izany hoe Malagasy sy Frantsay. Mazava aloha izay ny amin’iny. Nambaran-dRamatoa Romy Voos Andrianarisoa fa fanakorontanana politika ihany angamba ny fivoizana resaka fa tsy tokony hanana zom-pirenena Malagasy intsony izy ka aleonay mifantoka kokoa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy ny Malagasy, hoy izy. Nipoitra ihany koa izay zavatra tsy mahagaga intsony anefa fa mizaka ny zom-pirenena Frantsay ihany koa Ramatoa Mialy Razakandisa, vadin’ny Filoha Rajoelina sy ireo zanak’izy ireo telo mianadahy izay samy mianatra any ivelany moa amin’izao fotoana.Zon’izy ireo tanteraka izany, raha ny fianakaviana akaiky angamba tsy hisy hiadiana hevitra be loatra fa ilay filoham-pirenena mizaka zom-pirenena roa no manahirana ny maro. Mivadika any amin’ny politika sy ny diplaomasia avy hatrany mantsy ny adihevitra hoe : tsara toerana marina ve hiaro ny tombotsoan’i Madagasikara sy ny Malagasy ny olona iray mizaka ny zom-pirenen’ilay firenena nanjanaka an’i Madagasikara, indrindra fa ao anatin’izao vanim-potoana manahirana izao. Eo koa ny hoe : ary resaka fampiesonana fotsiny izany ny hoe ho takiantsika ary tsy maintsy averina amintsika manontolo ny Iles Eparses . Tsy Andry Rajoelina amin’ny maha olombelona azy mizaka zom-pirenena roa no olana, fa ilay amin’ny maha Filoham-pirenena azy . Ary ny tena nahatalanjona dia ny hoe : nahoana no nafenina mafy ity resaka Andry Rajoelina Frantsay ity hatramin’izay.Tena mety hafa mantsy ny fandehan’ny tantara tamin’ny fifidianana 2018 raha efa nivoaka tamin’izany io resaka io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap