tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Politique

Andry Rajoelina tia sehoseho Malemy tsisy atokona eo anatrehan’ny olan’ny firenena

Raikitra indray ny fihetsiketsehan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 16 martsa 2023 teny Antananarivo Atsimondrano.

17-mars-2023

Sample post image

Nitokana EPP manara-penitra teny Mahabo Andoharanofotsy sy nametraka vatofototra ho an’ny kianja manara-penitra nambara fa hatao. Toy ny fandre matetika, raikitra indray ny vava be sy vava tsy ambina, nilazana fa tsy matahotra ny hifaninana ary mpandresy foana na amin’ny fanatanjahantena na amin’ny politika. Tsy matahotra fifidianana, tsy mbola resy, ary tsy maintsy mandresy na amin’ny politika na amin’ny fanatanjahantena, hoy I Andry Rajoelina izay nilaza fa kristianina mino an’Andriamanitra ary manakina ny zava-drehetra amin’Andriamanitra, ka izay, hoy izy no tsy haharesen’iza na iza antsika. “Izao lehilahy izao dia “combattant”, “guerrier”, hoy I Andry Rajoelina izay nilaza fa rehefa ho avy ny fifanianana tsy maintsy mandresy, fa miasa aloha izao manasoa vahoaka, tsy matahotra mpifaninana, na io tamin’ny politika na tamin’ny zavatra rehetra izay nataoko, hoy hatrany izy. "…Miaraka amin’i prezida ianareo, efa “champion” impiry aho (karate). Vao miakatra eo ambony “tatami” aho dia ny sasany no tora-kovitra voalohany. Marina izany fa lazaiko anareo, tao amin’ny AKA, vao antsoina fotsiny ny anarako, vao mijoro izao lehilahy izao tonga dia misy mipipy am-pataloha, tonga dia mifitsaka... Tena “sérieux” izany an! Misy tsy sahy mifanatrika amiko…", hoy moa I Andry Rajoelina omaly. Mandresy sy “champion” izany izy amin’ny fomba fijeriny sy ny fanindrahindrany ny tenany, fa raha ny fomba fitantanany ny firenena sy ny fihemoran’I Madagasikara, ny fahantrana mandifotr’olona (82% mety hiakatra 99%), ny sondro-bidim-piainana efa tarehimarika roa (11,5%), ny làlam-pirenena potika, ny tsy fandriampahalemana mirarakopana, ny olan’ny fampianarana tsy mety mivaha, ny diplaomasia tandrametaka,… dia asa hoe: manao ahoana ny faharesen’ny fitondrana? Any Ukraine no miady fa ny làlana eto Madagasikara no tapitra potika tsy misy horaisina! Raha baolina kitra farafahakeliny 5-0!
DON-TANDROKA SY FANDEMEN-TSAINA
Tamin’ny propagandy 2018 no efa nilaza I Andry Rajoelina hoe: “na inon-kidona na inon-kitranga, isika tsy maintsy mandresy”, ary toa naneho fa vonon-kiady sy haka ny fahefana na hisy ra mandriaka aza no nandikan’ny mpifanandrina sy ny mpitazana, ary heverina fa isan’ny anton’ny fandeferana. Efa karazana fandemen-tsaina amin’ny fifidianana manaraka indray ireny kabary ireny. Andaniny anefa, ny vehivavy TIM hankalaza 08 martsa aza hamoahana basy aman-tafondro, ny depiote IRD mivadika sy miara-dia amin’ny olon-kafa mety ho kandida tsy navela hamory olona tany Fenoarivo Atsinanana, ny kapa ranjo politika amin’izay mety ho mpifaninana amin’ny 2023 efa manangasanga sy efa miharihary aza,… Izany ve ilay hoe: mahery sy matanjaka ary vao mijoro dia mipipy am-pataloha ny mpifanandrina? Mendrika amin’ny toerana ambony misy azy ve sa dia efa tena lasa mirefarefa amin’ny tany sanatria toa tahaka ny ankizikely ireny omaly ireny? Tena ireny ve no làlan-tsaina sy fomba firesaka hoenti-mitaiza ny vahoaka sy ny olom-pirenena?
Toky R

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpanohitra miatrika fifidianana Sarotra ilay fametrahana kandida tokana
27-mars-2023

Saika nahatonga solontena tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola avokoa ny alakamisy lasa teo ireo

Card image cap
Hary Razafindrazaka « Mitsangana manohitra amin’ny hevitra fa tsy herisetra »
27-mars-2023

Mampalahelo ny hoe ny fanaovana T shirt Andry Rajoelina no hoe nidarohana ilay mpamily Bajaja, hoy ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.

Card image cap
RMDM, PANORAMA, HVM, HIFIM,… “Mandeha ila ary vao mainka hiteraka krizy io CENI io”
27-mars-2023

Voaporofo mazava fa tsy vita maimaika ao anatin’ny 3 volana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa mila 8

Card image cap
Lola Rasoamaharo Gadraina noho ny resaka lonilony avo lenta ?
27-mars-2023

Nidoboka vonjimaika etsy Antanimora ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo Atoa Roland Hubert Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa avy nampandalovina teny amin’ny Fitsarana Anosy efa madiva ho alina.

Card image cap
Famoriam-bahoaka Nafampana ny tany Mananjary
27-mars-2023

Nafampana ny famoriam-bahoaka nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany tany Mananjary ny sabotsy teo.

Card image cap
Andry Rajoelina Miezaka maka ny fon’ny tanora indray
27-mars-2023

Ry tanora namako, natokako ho anareo ny andro androany, nihaonako taminareo ary nizarako ireo soatoavina tiako ho ampitaina aminareo, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato.

Voir plus