Frantsay ve ianao Andriamatoa Filoha ». Na niodinkodina aza i Andry Rajoelina dia efa mazava fa manana taratasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay izy ary hitazona izany, ary noho ny fianaran-janako no nangatahako ny zom-pirenena Frantsay.I Barack Obama ihany koa anie nolazaina fa Kenyanina, nolazaina fa Afrikanina kanefa voafidy ho filohana Amerikanina ihany e. Dia mbola nampiany fa manana zom-pirenena miisa 4 i Nelson Mandela fa tsy nanafoana ny fitiavan-tanindrazana tao aminy izany. Mizaka ny zom-pirenena Frantsay avokoa ireo mpitarika nyMDRM niady ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, aoka hazava ; Tia Tanindrazana i Andry Rajoelina ary vonona ho faty ho an’i Gasikara.
MBOLA TE HITONDRA
« Na sarotra ny lalana aleha, tsy hahasakana ahy tsy handeha,… Tompo o ! Ankiniko aminao», io no hira notsongain’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina nanokafana ny fandaharana manokana nataony omaly, ka nilazany fa ny fiainana dia ankinina amin’Andriamanitra ary samy mitsakotsako an’iny ny rehetra. Mandeha hatrany ny filalaovana fihetseham-po, ary efa lasa fampiasa mihitsy ilay resa-pinoana sy fivavahana io. Nandritra io no nilazany fa ny marina tsy mba maty. “Betsaka ny olona mitady hampiady, raha mbola izaho foana no izaho, tsy ekeko ho zarazaraina ny firenena, tsy ekeko ho zarazaraina ny Malagasy. Malagasy iray ao anatin’ny firaisankina isika”, hoy izy. Tena voapetraka sy voahajan’I Andry Rajoelina ve ny andininy afaha-49 momba ny fiantohany ny firaisam-pirenena sa izy aza no lasa isan’ny olana sy manao takalon’aina firenena noho ny hambo-po politika? Nitanisa ny zava-bitany, nilaza fa betsaka ny asa vita, ary mbola maro ny zavatra tokony hatao. Midadasika I Madagasikara, betsaka ny zavatra mbola miandry,... hoy I Andry Rajoelina, izay karazan’ny manamafy fa mbola te hitondra. Momba ny fampianarana, nitanisa fa 4198 ny isan’ny efitranon-tsekoly ka 209 000 ny zaza Malagasy nahazo toerana fianarana indray. 10 tapitrisa mahery ny boky nozaraina. Nizara bisikileta, kits scolaires, cantine scolaire 728 000,… Momba ny fahasalamana, ny Hopitaly natao teto 1891 hatramin’ny 2015 dia 15 ny Hospitales Universitaires, fa I Andry Rajoelina nanangana hopitaly 28 tao anatin’ny 4 taona sy tapany. Mba anontanio izay Filoha mbola eto, mba firy ny nataonareo teto Antananarivo sy manerana an’I Madagasikara. Hametraka fitaovam-pitiliana homamiadan’ny nono manerana ny renivohi-paritany. Manolotra “ambulance” isaky ny mitsidika faritany. 4500 ny fampidirana mpiasan’ny fahasalamana ho mpiasam-panjakana, tsy fantatr’izay tsy nanao.Ho an’ny tontolon’ny fitsarana, nanangana tribonaly, fonja manara-penitra,… Nanao kianja manara-penitra 28 satria mijery ny tanora, eo am-pamaranana ny fanaovana “gymnase” amin’ny faritra maro. Raha ny zavatra vitantsika no ho tantaraina eto, na maraina aza ny andro tsy ho vita, hoy hatrany I Andry Rajoelina. Tsy afaka mihitsy ilay toetrana “werawera”, mipoitra eny ihany ilay tsy manana fanetren-tena! Napetraka mba hanatrarana ny fahataran’I Madagasikara ny fananganana fotodrafitrasa manakaiky vahoaka, ary tsy misy na iray aza milaza fa tsy ilaina ireny ary olona efa maty eritreritra, hoy hatrany I Andry Rajoelina.
TENA MAHAY MITANTANA AHO!
Ara -toekarena sy fahantrana, ny tahan’ny fahantrana tamin’ny 2001 dia 71%, 2005 lasa 74%, noho ny coronavirus no nampiakatra ny amin’izao. 1997 no nilatsaka 69% ary niakatra noho ny krizy 2002. Tsy mifankaiza amin’ny 74% tamin’ny 2005 ny 75% amin’izao 2022 izao, hoy I Andry Rajoelina niezaka nanadio tena tamin’ny tarehimarika toa tsy dia mitombina. Nilaza anefa izy fa ny azy no tarehimarika marina. Momba ny sondro-bidim-piainana, nilaza fa i Madagasikara no tsy nisy taham-piakaran’ny vidim-piainana, ny any Soudan 138% fa I Madagasikara 8%,… Momba ny sandam-bola, nahay nitantana isika fa raha tsy nahay nitantana isika efa 10 000Ar ny euros iray, fa tsy 5000Ar ! Mba manana “experience” ihany aho nitantana an'ity firenena ity sy mbola hitantana ity firenena ity”, hoy hatrany ny fanandratan-tena. Momba ny Jirama, naverina ny resaka fahazoana 400 tapitrisa dolara, 1 314 000 000 dolara hanarenana ny lalana sy ny jirama. Matoa mametraka minisitra dia tompon'andraikitra ireo fa tsy hoe izaho foana no anontaniana, hoy indray izy. Fa angaha tsy fandaharana manokana miaraka amin’ny filoha ilay izy ity e ? Aiza ho aiza no tena laharampahamehana ? Nabara fa rehefa mbola tsy mahavita tena amin'ny entana ilaintsika isika dia tsy miankina amintsika ny vidin'entana. Tsy maintsy atao izay hahaleotena ara-tsakafo. Tena miaika aho fa potika avokoa , mila fanamboarana goavana. Antitra loatra ny lalana eto. Milaza hoe mila mamokatra kanefa manafatra foana, ahoana ilay tohana ho an'ny mpamokatra. -Tsy misy azo atao latsa-danja fa laharampahamehana. Tsy misy hoe vao miteny dia tanteraka kanefa ny nolazaina tany aloha dia hoe: ny hahazoantsika fahefana no ela dia mandeha mafy ny fampandrosoana ny firenena!?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny