ka nilaza fa manao izay tsy hahatanteraka ny fifidianana amin’ny 16 novambra ny Firaisankinan’ny kandida. Mahafantatra tsara ireo fa izaho no ho lany, hoy I Andry Rajoelina nisora-tena ho mpandresy. Eo anatrehan’ny fitakiam-bahoaka milamina izay ezahina korontanina amin’ny alalan’ny fampiadiana vahoaka, dia manitrikitrika hatrany ity kandida ity fa tsy te hanao fifidianana ireo ambarany fa fahavalony fa mikendry tetezamita. Mialokaloka hatrany amin’ny didy tsy azo ivalozan’ny HCC amin’ny maha kandida sy teo anatrehan’ny fitoriana momba ny zom-pirenena tokony tsy hahafahany mirotsaka. Adihevitra tsy mitombina ny hoe manana zom-pirenena Frantsay aho dia tsy Malagasy intsony. Tsy mbola nisy mihitsy didim-panjakana nampiharana ilay article 42 hatramin'izay nisiany, hoy ny fiarovan-tenany. Misy ihany koa ireo Filoha vahiny nambarany fa manana zom-pirenena hafa. Nanana zom-pirenena frantsay ny raibeko tamin'ny 1932, ka nangataka zom-pirenena Frantsay araka ny fandovana aho mba hanamorana ny fianaran-janako. Lasa “naturalization par filiation” izany? Milaza fa tsy nanafina an’izany, fa ny mpanohitra no mampiasa an’io amin’ny politika. Tsy fombanay, hoy I Andry Rajoelina, ny manery olona fa fanapahanan-kevitry ny filohan'ny Antenimierandoholona ny tsy nandray ny fahefana, dia azy ny azy. Nilaza fa tena misy ady an-trano ao an-tokonan’ny Malagasy satria maro no te haka ny toerany raha ny nambarany. Niaiky fa nampiditra ilay rindram-baiko na “Logiciel Predator”, ka nambara fa tao anatin'ny fanajana tanteraka ny lalàna no nampidirana sy ampiasan’izy ireo izany. Tanjonay ny famongorana ny tambazotrana kolikoly ary efa sarona ireo tambazotrana mpaka an-keriny, hoy I Andry Rajoelina, izay nilaza fa mila fitaovana raitra mba hiatrehana ny ambana avy any ivelany sy avy ao anatiny ny firenena tsirairay avy. Nanitrikitrika hatrany moa ny tenany fa nahomby, ary ny fiakaran’ny harin-karen’ny firenena Malagasy raha ny nambarany dia ambony noho ny salan’isa Afrikanina na nilaza aza fa nisy ny tsy ampy tamin’ny ady amin’ny fahantrana, ny famatsian-drano sy herinaratra,… Rehefa zohiana, tsy te hahalala izay fitakian’ny mpanohitra hisian’ny fifidianana madio, fa mivoy hatrany an’ilay hoe: tahotra fifidianana ny an’ireo, mitady tetezamita,… Efa mazava anefa ny tenin’ny Firaisankinan’ny kandida fa fifidianana madio no ilaina, mila fanajana ny tan-dalàna, tsy mila governemanta sy rafitra mitanila, mitaky ny famerenana ny fiandrianam-pirenena ka tsy ekena ny olona tsy Malagasy intsony hitondra an’I Madagasikara. Ny fifidianana mbola tsy mandeha, I Andry Rajoelina efa misora-tena ho mpandresy ka fifidianana inona no hatokisana amin’izany?
Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny