airtel

Politique

16-févr-2023

Politique

Andry Raobelina “Ekena ny voka-pifidianana raha tsy misy hala-bato”

Sample post image

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Radisson blu Ambodivona ny fijoroan’ny antoko politika ARB na Anjomara sy rivo-baovao izay tarihin’ny filohany, Andry Raobelina.

16-févr-2023

Fotoana izao, hoy ity filoha ity, hitsofana anjomara hitondrana rivo-baovao hampiraisana indray ny malagasytaorian’izay am-polo taona maro nibahanana olona 2 na antoko 2 na vitsivitsy ny fitantanana ny firenena izay. Rivo-baovao hitondra fomba fanaovana politika hahafahan’ny rehetra miaina ao anaty fahalalahana sy fahafahana. Antoko politika hitarika fanafahana amin’ny fahaizana sy fitaizana olompirenena vanona, hanaja sy hampanaja lalana, hiahy ny tanindrazana sy tia tanindrazana, hanome lanja ny maha olombelona satria ny olombelona no loharanon-karena, hametraka lamina mati-paika hitantanana ireo harem-pirenena. Handrotsaka kandida amin’ny fifidianana rehetra ny ARB. Haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara no antom-pisian’ny antoko politika. Tsotra ny vina dia ny hanaisotra ny boky efa teo fa hanokatra boky vaovao. Misy ny fifampiresahana amin’ny hery politika hafa na vondrona politika hafa. Iray iraisana ny fampandrosoana ny firenena dia miaraka izahay fa raha misy tsy mifanaraka amin’ny vinan’ny antoko dia tsy miaraka izahay. Ekena ny voka-pifidianana raha tsy misy fangalaram-bato. Raha misy fangalaram-bato kosa, aleo hanandrana dia ho hitantsika. Ny tohin’ny asa moa dia tsy maintsy hanao ny kaongresim-paritra raha tsy misy ny sakantsakana. Kaongresy nasionaly atao eto Antananarivo no ao aorian’izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap