airtel

Politique

14-nov-2023

Angidimby sy entana nosavaina

Ahian’ny fanjakana ho nampiditra fitaovam-piadiana i Siteny R

Sample post image

Ny datin'ny 8 novambra 2023 no fahazoan-dalana sidina azon'ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko

14-nov-2023

fa tsy ny sidina ny andron'ny 11 novambra, raha ny fanazavana nomen’ny jeneraly Mamelison Mbina Nonos omaly . Nambarany ihany koa fa tsy maintsy natao izay nahafantarana ny entana tao anatin'ilay kesika nampidinin'ilay angidimbin'ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko tamin'ilay "vedette" tao Vilamatsa, Besalampy ny 11 novambra teo. Ka izay no anton’ny fisavana.
FITAOVAM-PIADIANA ?
Ahiana ho fampidirana fitaovam-piadiana eto Madagasikara hoy ny jeneraly Mamelison Mbina Nonos ny fanaovana sidina antsokosoko tsy manana fahazoan-dalana hiditra eto amin'ny firenena. Nazava izany ny resaka eto fa tsy tena hoe ilay angidimby no olana fototra fa dia hoe manahy ny fanjakana sao mampiditra fitaovam-piadiana eto Madagasikara ny kandida Siteny R. Ahiahy , miendrika fiampangana izay tena goavana tokoa satria tsy azo atao sangisangy izany resaka fitaovam-piadiana izany. Mipetraka ihany koa ny fanontaniana eto hoe mifototra amina angom-baovao matotra ve izy ity sa mba tombatombana fotsny ny an’ireo manampahefana. Ahiana hanohintohina sy hanala barala ny kandida Siteny R mantsy ny famoahana vaovao tahaka izao, indrindra fa hoe tsy honohono amin’ny faceboook fa tena manampahefana, manamboninahitra izao no manambara azy mivantana amin’ny mpanao gazety. Andrasana ny ho tohin’ity raharaha ity fa ny efa mazava izany aloha izao dia miahiahy ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko ny fitondram-panjakana ary manara-maso akaiky azy sy ireo mpiara-dia aminy. Tsarona etoana koa anefa fa nisy tranga mitovitovy tamin’izao ihany ny taona 2018, raha nanao karazana fampirantiana momba ny fitandroana ny fandriampahalemana teny amin’ny CCI Ivato ny kandida Rajoelina, raha nanao fampanantenana fa hoe raha lany dia hanome fitaovana ny tafika. Nahoraka be tamin’izany fa efa nisy fiara sy fitaovam-piadiana tafiditra teto Madagasikara, ary tsy ny fanjakana no nampiditra azy .Nanokatra fanadihadiana parlemantera momba an’izany ny teo anivon’ny antenimierandoholona saingy nanjavona izany rehefa nahazo fahefana i Andry Rajoelina sy ny ekipany.
RTT
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap