airtel

Politique

17-oct-2024

ANKASINA 67Ha

Hiara-hiasa amin'i Tahina Razafinjoelina ny TMS

Sample post image

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

17-oct-2024

TMS), ity fikambanana ity moa dia manana tanjona amin’ny fampivelarana ny maha olona indrindra fa ny vehivavy mba hanana ny maha izy azy, ahafahany mamelon-tena sy mampandroso ny mpiara-belona. Manomboka mahatsapa ny malagasy hoe tsy mety intsony ilay atao tohatra fiakarana hoy izy ireo ka mila olona tena hiasa , hiasa ho an’ny vahoaka tokoa izahay fa tsy hanao fitaovana politika ny vahoaka fotsiny.
MILA ASA FA TSY RENDRARENDRA
Ny fanabeazana no olana ka mampahantra antsika toa izao, hoy i Tahina Razafinjoelina raha nitafa sy nifampiresaka mivantana tamin’ireo mponina teny Ankasina 67ha izy. Ny asa vita no mamaritra ny olona mendrika hitantana ny tanana, hoy izy ka tsy maintsy mifampitsinjo isika, ny zanakareo no ho tsinjovina amin’ny asa iarahantsika manao. Asa no omena fa tsy zavatra mety ho rovitra sy simba rahampitso, hoy izy. Rahampitso zoma moa no hanomboka eny Antohomadinika ilay Asa Maharitra ho an’Antananarivo ; efa nisy ny fanadihadiana ifotony namantarana ny maika sy laharampahamehana vao miroso amin’izao asa izao, ny zavatra vita no tenenina fa tsy mampanantena poakaty, hoy izy. Asa fa tsy rendrarendra ny antsika, hoy izy.
HITERAKA ASA IREO TETIKASA SAMIHAFA
Raha mitohy ny famitahana amin'ny fampanantenana poak'aty eto dia ho potika ny firenena, hoy izy ka mila atsahatra izany. Hanome asa ny vahoaka amin'ny alalan'ireo tetikasa samihafa eto amin'ny tanàna isika hoy i TR fa ilaina kosa anefa ny Fanofanana, 3 volana farahakeliny. Notsiahivin’i Tahina Razafinjoelina fany taona 2017 dia nisy sekoly teny Anosibe nampiana sy nomena fampitaovana, ka tohizana amina fokontany hafa izany. Hanome solosaina miisa fito ho an'ny boriboritany voalohany isika, ho izy ka ho santarina amin'ny sekoly sahirana iray izany ny zoma izao. Mila mahay informatika ny zanantsika satria tena ahazoam-bola io sehatra io, hoy i Tahina Razafinjoelina.
RTT

 

 


 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap