airtel

Politique

15-mars-2024

Ankazomanga

Lalàna 2 sosona namboarin’ny depiote Todisoa

Sample post image

Lalana miisa 2 no amboarina tao Ankazomanga anatin’ny

15-mars-2024

Boriborintany faha-6 eto Antananarivo. Ny iray teo amin’ny « bassin » ary ny faharoa teo amin’ny dobo manga izay mirefy 1 km ny fitambarany. Nirevo tao anaty fotaka sy rano ny mponina Ankazomanga ka faly amin’izao fotoana izao fa efa natomboka ary ho vita tsy ho ela ireo lalana ireo. Noho ny fangatahan’ireo vahoaka tamin’ny depite Todisoa Andriamampandry no nanatanterahana izany satria tena sahirana ireo olona, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Na tsy asan’ny depiote aza ny manao izany, dia niditra an-tsehatra ity olom-boafidy ity sy ny mpiara-miasa aminy mba hitsinjovana ireo mponina. « Misaotra ny mpiara-miasa rehetra niara-nisalahy ary misaotra ireo malala-tanana sy mpiara-miombona antoka tamin’ny fiaraha-niasa rehetra », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Tsy adinony ny nanentana ny vahoaka mba hikojakoja ny asa izay niarahana nanao. Marihina, hoy izy, fa mitohy hatrany ny asa ho any amin’ny fokontany hafa, ka nampahatsiahivany hatrany fa “tsy misy manana ny amoy fa sambatra zay mifanampy”.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap