airtel

Politique

17-janv-2023

Politique

Annick Ratsiraka Ho kandidan'ny AREMA ?

Sample post image

Mangataka ny Sekretera Nasionalin’ny Antoko Revolisionera Malagasy na Arema, Rtoa Annick Ratsiraka hirotsaka

17-janv-2023

hofidiana ho filoham-pirenena ny Komity Mpitantana sy ireo Sekretera Nasionaly lefitra avy amin’ny Faritany enina ary ireo rantsamangaikan’ny Arema rehetra. Nivoitra io nandritra ny fifampiarahabana noho ny fahatratrarana ny taona 2023 natao tena Mangarivotra Faravohitra Antananarivo, ny 15 janoary 2023 teo ka nifanolorana firariantsoa sy fanomezana. Nankasitraka ny mpikatroka rehetra Rtoa Annick Ratsiraka ny amin’ny fifampitokisana misy eo amin’ireo mpitarika sy ny mpikatroka Arema. Nanaraotra ny fotoana ny tenany nanaovany tatitry ny asa vita sy ny vina ho an’ny taona 2023. Nilaza tamin’ireo mpikambana ihany koa Rtoa Annick Ratsiraka ny amin’ny fanohanan’ny Arema ireo mpikatroka mirotsaka amin’ireo fifidianana Ben’ny tanàna, Solombavambahoaka. Arema ! Vahoaka, Firenena. Io moa no teny filamatra entin’ny antoko hanatanterahany ny vinany. Manomana sahady ny fankalazana ny tsingerintaonan’ny Arema amin’ny 19 Martsa ny antoko, ka hatomboka amin’ny fanetsehana ireo mpikatroka eto Antananarivo izany. Marihina fa ny alahady teo ihany koa no nanaovana ny lalao famaranana ny fifaninanana rugby ho an’ny teny amin’ny Distrika Avaradrano izay natao tao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy, ka ny antoko Arema no niantoka ny loka tamin’izany.

Jean D.

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap