airtel

Politique

19-nov-2024

Antananarivo Renivohitra

Notendrena ho PDS i Alexandre Georget

Sample post image

Voatendry ho PDS na Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina

19-nov-2024

Antananarivo Renivohitra omaly Atoa Alexandre Georget, Filohan’ny Antoko Maitso, mpikambana tao anatin’ny Vondrona ARMADA, Minisitry ny tontolo iainana teo aloha. Izy izany no PDS fahatelo teto Antananarivo, rehefa lasa minisitry ny fanajariana ny tany ny ben’ny tanàna voafidy farany Atoa Naina Andriantsitohaina ny volana aprily 2024 teo. Nodimbiasan’Itompokolahy Ramanambitana Richard, avy eo Rtoa Harilala Ramanantsoa nanomboka ny 26 aogositra, saingy voatery niala rehefa voaray ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana iray volana taorian’io. Banga teo ny toerana nanomboka ny 27 septambra 2024, tsy noraharahiana firy teo, ka asa hoe : inona no naha taitaitra ny fitondrana ka niroso tamin’ny fanendrena PDS ihany iray andro nialohan’ny propagandin’ny fifidianana ben’ny tanàna ? Izao ve vao tsapa ny fahabangan-toerana sa kajikajy politika eo anatrehan’ny toe-draharaha mafampana eto Antananarivo ? Ho PDS tetezamita kely anatin’ny iray volana eo izany Atoa Alexandre Georget ka izy izany no hamindra fahefana amin’izay ben’ny tanàna manaraka eo ! Sa sanatria ho PDS fiandry sy haharitra eo anatrehan’ny mety ho toe-draharaha tsy ampoizina mikasika ny fifidianana eto Antananarivo izay efa ireny niaraha-naheno ireny ny kabary fihantsiana sy toa fandemen-tsaina nalefa ireny ? Hanao amboletra ary efa mihomana amin’ny mety ho tsy fankasitrahana an’izany ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap